Vous êtes ici :

Vendredi 29 Mars 2024

ombre

Besalampy – Novakivakian’ilay jiolahy ny lohan’ilay vehivavy

Mampalahelo fa manao ny ataony ary mampitondra faisana ny mponina ao Besalampy indray amin’izao ireo jiolahy. Vaky trano efa ho isan’andro izao no malaza raha toa ka somary nangingiana izany teo aloha kely teo. Nitrangana asa famonoana olona mahatsiravina indray mantsy tao amin’io distrika io, manakaiky ny kaominina Ampako raha ny mariarina kokoa. Tovolahy vao herotrerony no nahavon-doza tamin’izany ary olona roa no nampiharany ny habibiany tamin’izany. Arak ny vaovao azo dia lehilahy efa ikoizana amin’ny famonoana olona sy famakiana trano ity rangahy ity ary tsy menatra sy tsy misy tahotra mihitsy izy mandatsaka ain’olona, sanatria toa ireny mamono moka ireny ny anaovany ny olona lasibany. Lehilahy iray no maty tsy tra-drano nandritra ny fanafihana nataon’ireo jiolahy. ary vehivavy iray kosa no mbola miady amin’ny fahafatesana eny amin’ny hopitalin’ny Besalampy hatramin’izao. Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny fiarahamonina sy ny mpitandro filaminana anefa dia tratran’ny polisy soa aman-tsara io lehilahy nahavanon-doza io ny alakamisy lasa teo tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro. Tokony tamin’ny  6 ora hariva dia nafindra teny amin’ny borigadin’ny zandarmaria any an-toerana ilay jiolahy, noho izany dia vory lamina nanoloana ny  vavahadin’ny « caserne » ny fokonolona naneho ny fahatezerany manoloana ity jiolahy ity saingy tsy nisy ny fioharam-pefy noho ny fahendrena nananan’ny tsirairay. Raha ny sary niparitaka teny amin’ny serasera manokana no jerena dia nahavanon-doza mahatsiravina mihitsy ity lehilahy ity satria dia tena novakivakiany mihitsy ny lohan’ilay lasibany. Mbola eo ampanaovana fanadihadiana amin’izao ny mpitandro filaminana.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre