Vous êtes ici :

Vendredi 19 Avril 2024

ombre

Mahanoro – Mahatratra 20 000 Ariary ny kilaon’ny jirofo

Amin’izao fotoana izao dia tsy ny legioma, tsy ny rano na ny vidin’entana ilaina amin’ny fiainana an-davanandro ihany no miakatra fa ny vidn’ny vanila sy ny jirofo ihany koa. Raha toa ka efa tamin’ny volana desambra tamin’ny herintaona no niandrasana izany fiakarana izany dia amin’izao fiandohan’ny taona 2017 izao izany voa niseho. Raha toa ka 17 400 Ariary teo aloha ny vidin’ny iray kilao tamin’ny jirofo dia efa tafiakatra hatramin’ny 20 000 Ariary izany amin’izao. Araka ny vaovao voaray anefa dia tsy ny tantsaha mpamokatra jirofo rehetra no mahazo tombony amin’izany fiakaram-bidy izany satria betsaka ireo efa nivarotra ny vokatra tamin’ny vidiny teo aloha. Manoloana izany dia nanambara ireo tantsaha fa tsy mahafapo ny vidim-bokatra nanditra ity taom-piotazana ity na dia nisy aza ny fahabetsahan’ny vokatra. Iaraha-mahalala fa ny tena manimba ny fandraharahana ny jirofo any Mahanoro dia ny tsy fandriam-pahalemana. Mihemotra ny vokatry, noho ny fahatahorana ny ho voaroba noho izany ireo mpandraharaha, ary efa nanenika ny distrika iray manontolo mihitsy izany. Amin’izao izany dia ireo mpandraharaha ao amin’io toerana io sy ireo avy ao Toamasina sisa no miezaka maka ny vokatra satria efa nanomboka niala tsikelikely avokoa ny avy amin’ny faritra hafa. Anisan’izany ireo avy amin’ny faritra Sava, Mananara Avatra ary koa i Maroantsetra. Andrandrain’ireo mpamokatra fatratra noho izany ny filaminana mba hampiverina amin’ny laoniny ny varotra jirofo ao an-toerana.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre