Vous êtes ici :

Samedi 20 Avril 2024

ombre

Vakinankaratra – Nisantatra ny fambolen-kazo ireo vondron-tafika

Miaina ao anatin’ny tsy fahampian-drano ny faritra maro eto Madagasikara ankehitriny noho ny tsy firotsahan’ny orana. Antony maro no mahatonga izany. Ao ohatra, ny doro tanety, ny karazana entona maro isan-karazany ary ny fanapahana ny ala tsy amin’ny antony nefa tsy manana finiavana hanolo amin’ny alalan’ny fambolena zanakazo. Manoloana izany dia mahatsiaro ho manana anjara biriky amin’ny fanarenana ny fahasimban’ny tontolo iainana ny vondron-tafika ao Antsirabe. Izy ireo no nisantatra ny taonan’ny fambolen-kazo tamin’ity taona 2017 ity tao Antsirabe, izay renivohitry ny faritra Vakinankaratra. Zanakazo miisa 2 000 fototra no nisantaran’ny miaramila izany. Ny tafika rehetra tao Antsirabe no nanatanteraka izany  tamin’ny toerana telo samihafa dia ny tao amin’ny Akademia sy ny Ensoa ary ny Tobin’ny Zandary Antanimenakely. Nambaran’i Kolonely Ralaibeza, Lefitry ny komandin’ny Akademia miaramila, izay nitarika ny hetsika fa « fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana manodidina azy ireo izao hetsika izao, ary efa adidy fanaon’izy ireo isan-taona ihany koa. Santatra ihany izy ity, satria mbola hitohy any amin’ireo tany miaramila eran’i Vakinankaratra, toy ny any Tongafeno sy ny Garan’ny raopilanina». Ho azy ireo dia efa misy mihitsy ny miaramila natao hikajy izay hazo nambolena mba tsy ho fombafomba fotsiny izany. Marihina fa omaly ko a no nisokatra ny taom-pambolen-kazo ho an’ny faritra Vakinankaratra sy ny sampan-draharahan’ny Rano sy ny ala, izay natao teny Andraikiba.

 

Tahirisoa

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre