Vous êtes ici :

Mardi 23 Avril 2024

ombre

Valan-javaboahary Baie de Baly – Sokatra angonoka maromaro saika havoaka antsokosoko

Tao amin’ny valan-javaboahary Baie de Baly, Soalala dia sokatra angonoka maromaro no saika havoaka antsokosoko tao. Biby izay arovana fatratra amin’izao fotoana izao. Olona enina no niditra tao anatin’ny faritra arovana ary araka ny vaovao voaray dia mody nanao mpizahantany izy ireo kanefa dia nitetika ny hangalatra. Ny Angonoka dia zana-tsokatra izay efa mihalany tamingana amin’izao fotoana izao. Ny mpiambina no nahatsikaritra ireto olona milaza azy ho mpitsidika nefa nampiditra ireto sokatra tao anaty sakaosy ka nikasa hitondra azy ireo hivoaka ny valan-javaboahary. Rehefa raikitra ny fisavana dia sarona tao ireo biby.  Raha ny fantatra dia mipetra eny amin’ny manodidina eny ireto olona ireto ary mahalala tsara ny momba ny valan-javaboahary Baie de Baly. Naverina amin’ny toerana nakana azy ireo biby, izy enin-dahy kosa notazonina vonjimaika tao amin’ny tobin’ny mpiambina ny valan-javaboahary mandra-pahatonga ny tompon’andraikitra niaraka tamin’ny Zandary.

S.A

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre