Vous êtes ici :

Samedi 27 Avril 2024

ombre

Mirehitra ny firenena

Mahamay ara-bakiteny ny raharaham-pirenena sy ny fiainam-bahoaka raha ny zava-nitranga tamin’iny herinandro iny no jerena. Lasibatry ny haintany ny afovoan-tany ary efa nahiana ny tsy fisian’ny rano fisotro. May ny endim-boanjon’ny vahoaka raha nahare izany ka nifandrombahana ny fividianana sinibe hanangonana rano. May volon-tratra ihany koa ny mpitondra ka nivoaka tampoka tamin’ny fahanginany ary nilaza fa tsy mitombina io tsy fisian’ny rano fisotro io. Nosokafana ny barazin’i Tsiazompaniry mba hanalana ny hetahetan’ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina. Ankoatra izany dia nirehitra ihany koa ny hatezeran’ny Fanjakana manoloana ny mpiasan’ny Jirama. Miakatra ambony ny marim-pana ary nihenjan-droa ny tady ka nipoaka ny fandraisana fanapahan-kevitra ny hampisaoty ireo mpitantana ambony eo amin’ny Jirama. Niongotra tamin’ny toerany avy hatrany ny tale jeneraly sy ny filohan’ny filan-kevi-pitantanana. Tena ireo tokoa ve no fositra tao? Tsy fantatra intsony izay zava-marina satria ny angovo rahateo dia efa ela no tsy nisy minisitra intsony taorian’ny nahafatesan’ny tena tompon-toerana.

Mirehitra ihany koa anefa ny fahasorenana eny anivon’ny fiarahamonina izay miteraka fikomiana sy herisetra. Lasa lian-drà ny malagasy noho ny tsy fahazakana intsony ny vesatry ny fahantrana sy ny tsy fahaiza-mitantana ny firenena. Tany Mahajanga izao dia dokotra sy koveta no namonoan’ny mpianatra mpangalatra izay tratran’izy ireo. Arakaraka ny fiantsoan’ny mpitondra Fanjakana ny tsy maha-mety ny fitsaram-bahoaka no vao mainka mamporisika ny olona hanao izany. Efa mihoatra lavitra ny resaka valifaty sy ny resaka tsy fandriam-pahalemana ity firongatry ny fitsaram-bahoaka manerana ny Nosy ity. Raha ny tena marina dia fanehoan’ny vahoaka ny hatezerany sy efa endrika fikomiana izy io. Lasa mampiseho fihetsika fanehoan-kery an-kolaka ho hitan’ny mpitondra fa tofoka sy afaka manohitra ny vahoaka. Endrika roa mantsy no asehon’ny fitsaram-bahoaka. Voalohany dia fikomiana sy fanoherana fahatany izay toromarika omen’ny mpitondra. Faharoa dia fanehoan-kery sy fihantsiana ady amin’ny alalan’ny famonoana ireo heverina fa fositra mampikorontana ny fiarahamonina.

Tranga iray maneho izany iny tany Vangaindrano iny. Resaka tsy fandriam-pahalemana no saika niarafa tamin’ny ady an-trano. Efa azo sokajiana ho ady an-trano ireny satria noho ny hatezeram-bahoaka dia nisy ny fandrobana sy fandorana ny tanàna iray manontolo. Fanehoan-kevitra sy fanehoan-kery ny toy ireny ary mila vahaola akaiky sao hitatra amin’ny toerana hafa. Rehefa tsy afaka maneho hevitra an-kalalahana mantsy ny vahoaka dia miroso amin’ny savorovoro sy ny fanimban-javatra. Tsy ny malagasy irery no manao io fa ny mponina rehetra maneran-tany mihitsy. Rehefa tsy avelanan’ny Fanjakana hanaovana fihetsiketsehana ihany koa ny toerana malalaka efa fanaovana izany toy ny eny amin’ny kianjan’ny 13 mey sy ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo dia eny an-tanàna sy ny fokontany misy azy ihany ny olona no manao hetsika. Maneho izany ny savorovoro maro mitranga eto an-drenivohitra. Vao misy tsy fifankazahoana sy hevitra tsy mitovy kely dia efa misarongatra mampiaka-peo sy vory lanona ny vahoaka. Hatramin’ny resaka famindran-toerana mpampianatra aza dia efa saika niteraka korontana goavana teny Ambohipo sy Besarety. Ny fahasorenana noho ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny delestazy ary ny fibodoana tany fampiasan’ny fokonolona moa manginy fotsiny.

Tena efa mirehitra ny hatezeram-bahoaka ary tonga amin’ny faratampony ny marimpanan’ny fahadisoam-panantenana. Ny mpitondra fanjakana anefa tsy mahita vahaolana hialana amin’izao fahantrana sy tsy fahaiza-mitantana izao fa vao maika miharatsy ny toe-draharaha. Raha noana ny kibo mivezivezy ny fanahy ary raha tsy misy ny vola mitatra ny saina ka mila vahaolana maika ny firenena mba tsy hisian’ny krizy vaovao indray.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre