Vous êtes ici :

Vendredi 19 Avril 2024

ombre

Betafo – Mpiandry fonja namono tena rehefa avy nitifitra ny vadiny

Mitera-doza ny fifamaliana eo amin’ny mpivady rehefa tsy voafehy ny fihetsika sy ny fiteny. Rehefa manjaka mantsy ny hatezerana, indrindra fa rehefa vokatry ny hasarotam-piaro dia lasa mitohy amin’ny fikasihan-tànana ny ady ary indraindray aza tonga hatrany amin’ny fifamonoana mihitsy. Toa izany indrindra ity tranga niseho ny zoma lasa teo ity. Raim-pianakaviana mpandraharaha any  amin’ny fonjan’ny Betafo no nahavanon-doza namono ny vadiny vokatry ny fifamaliana. Araka ny vaovao azo dia mifamaly matetika izy mivady ireo, indrindra fa rehefa amin’ny alina efa reraky ny asa iny. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy fantatra izay nampiady fa tena tabataba tsy nifandrenesana mihitsy no tao an-tokatranon’izy mivady. Rehefa nipaika anefa ny tamin’ny 12 ora alina dia nirefotra in-droa nisesy ny basy. Araka ny maha mpiandry fonja an’ilay rangahy dia manana basy ao an-tranony izy. Taitra ny mpiara-monina ka nandreha nivoaka nijery izay zava-nitranga. Efa faty roa no hitan’izy ireo miaraka amin’ny zazakely miisa roa mitomany. Araka ny vaovao voaray hatrany dia efa nikasa ny hiala tao an-trano mihitsy izy telo mianaka, izany hoe ilay ramatoa sy ireo zanany roa. Nahita izany ilay rangahy dia tsy nisalasala nitifitra an’ilay ramatoa. Nitsirara avy hatrany teo am-baravarana ity farany ary rehefa hitany fa maty ny vadiny dia nitifi-tena ihany koa izy. Raha ny nambaran’ny olona manodidina dia ny fahamamoan-drangahy matetika no fototry ny adin’izy mivady. Efa in’efatra nisitaka ny tokantrano ilay ramatoa ary fanin-diminy io izy nampiasa fitaovam-piadiana io. Taorian’ny fanadihadiana natao dia fantatra fa 40 taona ity rangahy nahavanon-doza ity ary efa 12 taona niasana tao amin’ny fonja.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre