Vous êtes ici :

Mardi 16 Avril 2024

ombre

Taolagnaro – « Ovni » nanazava ny lanitra

Tao anatin’ny taona maro dia maro ireo « Ovni » na zavatra voalaza fa hitan’ny olona maro teny amin’ny habakabaka saingy tsy fantatra mazava ny tena fiaviany sy ny anarany. Tany maro no efa nitrangan’izany ary efa aman-jatony ihany koa ireo horonan-tsary notontosain’ny vahiny momba io tranga io. Maro amin’izy ireny ny mieritreritra fa fitaovana ampiasain’ireo « Extra terrestre » na zava-manan’aina hafa ankoatra ny olombelona hitsidihana ny tany izy ireny ary tsy vitsy koa anefa ireo miteny fa   tainkitana. Hatramin’izao anefa dia tsy mbola misy ireo porofo tena manamarina an’ireo zavatra voalaza ireo na dia misy aza ireo milaza fa tena nahita maso azy ireny. Anisan’ny firenena efa nandalovan’ireny « Ovni » ireny koa raha i Madagasikara manokana no resahina. Vao ny zoma alina teo izao dia nilaza ny mponin’i Taolagnaro fa nahita zavatra tsy fanta-piaviana nanazava ny lanitra sy ny habakabaka. Minitra sy segondra vitsy taty aoriana anefa dia re nirefodrefotra teny amin’ny ranomasina akaikin’i Manambato, 50 km miala an’i Taolagnaro io zavatra nanjelatra teny amin’ny habakabaka io. Raha ny vaovao azo dia maro ireo vavolombelona nilaza fa nahita io zavatra io satria tena nanjelatra tsy misy ohatra izany izy io. Ny andro rahateo efa tamin’ny 8 ora alina, izany hoe efa maizina ka mora ahitana zavatra mazava. Maro ireo nilaza fa toy ireny kintana ireny ilay zavatra saingy tsy madinika fa somaro vaventy kokoa. Tao kosa ireo nilaza fa toa ireny tainkitana ireny ilay izy ary mihetsika fa tsy mijanona amin’ny toerana iray. Mipetraka araka izany ny fanontaniana hoe inona iny zavatra nanjelatra avy eo nipoaka indroa miantaona iny. Ny ankamaroan’ny olona dia nieritreritra fa missile io zavatra io. Ao kosa ireo miteny fa météorite na vato avy any lavitra ilay izy. Mbola mandeha ny fanadihadiana.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre