Vous êtes ici :

Vendredi 26 Avril 2024

ombre

Antohomadinika – 67ha – Jiolahy manafika mpivaro-boanjo sy mpivarotra enta-madinika !

Faritra anisan’ny azo atao hoe mena amin’ny tsy fandriam-pahalemana ny eny amin’iny Antohomadinika sy ny manodidina azy iny, manomboka eny amin’i 67ha  mipaka hatrany Andavamamba. Na amin’ny alina mantsy na amin’ny antoandro be nanahary dia tonga manafika ireo jiolahy ary matetika dia ireo toeram-pivarotana foana no lasibatra amin’izany. Ny faran’ny herinandro teo dia nitrangana fanafihana nisesisesy tany amin’ireo toerana voalaza ireo. Raha ny vaovao voalaza dia nanomboka teny Antohomadinika ny fanafihana ary tsy nijanona raha tsy tany 67ha. Mpivaro-boanjo no voaroba voalohany tamin’izany  teo amin’ny toby fiatsonana taksiborosy ho any Ambatondrazaka. Rehefa nahazo ny volakelin’io rangahy io ireo olon-dratsy izay marihina fa nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika dia nandroba mpivarotra enta-majinika miisa roa ka lasa tamin’izany ny vola iray hetsy Ariary.  Taorian’io dia maro ireo toeram-pivarotana lasibatra, anisan’izany ny mpivaro-kena iray mpandeha an-tongotra. Rehefa avy nanafika teo amin’ilay toby fiantsonana fiara izy ireo dia nitsofoka lalan-kely izay mivoaka any amin’ny fiandrasana taksibrosy makany Mahitsy indray.  Teo dia mpivarotra enta-majinika miisa 4 indray no lasibatra. Tsy nionona teo amin’io toerana io anefa ireto jiolahy fa nanohy ny diany teny 67ha ary mpiandry taksibe iray no voambana antsy tamin’izany. Rehefa nikasa ny hanohitra anefa ity raim-pianakaviana ity dia voatsindrona ny antsy avy hatrany. Nijininiaka ny rà ary raha tsy nisy mpamily fiarakaretsaka tsara sitra-po nanaiky nitondra ilay naratra tany amin’ny hopitaly Hjra dia maty teo izy. Anisan’ny fanazavana nentin’ny sefo fokontany ny fisiana sy ny fitomboan’ny asan-jiolahy eny amin’ireo toerana ireo. Raha ny voalaza dia nanjary nahazo vahana ry zareo noho ny tsy fahasahian’ny olona mifanandrina aminy noho ny fananan’izy ireo fitaovam-piadiana toy ny antsy, sabatra ary basy.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre