Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Mampigadra ny facebook

Miha-mitombo hatrany ny isan’ny olona nogadraina noho ny tsy fahaizana mifehy ny facebook. Misy lalàna mifehy mantsy ireny tambajotran-tserasera ireny fa tsy ataotao foana amin’izao. Betsaka ireo efa nisy nitory ka nosamborina sy nampiakarina fitsarana ary nahazo sazy mihatra any am-ponja. Ho an’ny eto Madagasikara dia ny asa fisolokiana sy ny fihetsika fanalam-baraka olona no tena mahatonga ny fitoriana sy ny fanasaziana. Efa misy sokajin’olona manana fahaizana manokana mihitsy amin’ny resaka fisolokiana mampiasa facebook. Ao ireo manao varotra miharo fitaka. Entana hafa no aseho amin’ny sary nefa zavatra hafa no aterina any amin’ilay mpividy. Efa nasaina nandefa vola mialoha ilay mpividy ka tsy afaka ny tsy handray ilay entana intsony na dia tsy araka ny nampanantenaina aza. Misy ihany koa ireo izay nandray vola tamin’ny alalan’ny finday nefa tsy nandefa ilay entana hatramin’ny farany fa any dia manepoka. Mbola ao anatin’ny fisolokiana ihany koa ny famoronana antsanga tsy aman’orana ka angatahana vola amin’ireo namana ao amin’ny facebook. Maro ireo entin’ny fahatsorana sy ny hatsaram-panahy ka hahazoan’ireo mpisoloky volabe.

Ankoatra ny fisolokiana dia tena mampiteny ny moana ary manimba tanteraka ny fiarahamonina eto Madagasikara ny fanalam-baraka amin’ny alalan’ny facebook. Misy karazan’olona mantsy dia tsy manan-katao afa-tsy ny mitady tsikera sy fanaratsiana ny hafa fotsiny. Misy mihitsy ireo sahy mijoro vavolombelona mitantara ny fiainana manokan’ireo tiany ho haratsiana na ihany koa mandefa sary mamoafady izay tsy tokony hisy hahita ankoatra ny tompony ihany. Rehefa tena jerena dia tsy mbola zakan’ny sasany amin’ny Malagasy ny fampiasana ny facebook izay efa eny ampelatanan’ny rehetra satria maimaimpoana. Misy mihevitra fa rehefa manana fahalalahana hiteny sy hanaratsy dia izay no antsoina hoe maharaka fandrosoana. Efa marobe ary mety efa an’arivony mihitsy ny olona nalaim-baraka teo amin’ny facebook. Teo ireo sendra nianjera teny an-dalana, ny hafa niady mivady, ny sasany kosa na dia eny ambony fiara fitateram-bahoaka aza dia misy maka sary ary alefa facebook rehefa tsy mifanaraka amin’ny eritreritr’ilay naka ny sary.

Santionany vitsy ireo fa tena efa mivaona amin’ny toe-tsaina nananganan’ny mpamorona azy ny facebook eto Madagasikara. Ny hisian’ny serasera sy fifanakalozana amin’ny olona samihafa sy mifanalavitra mba hisian’ny asa fampandrosoana sy ny firindram-piarahamonina mantsy no tena nananganana ny facebook. Tsy hay izay any amin’ny firenen-kafa fa raha ny eto Madagasikara aloha dia hita fa nohararaotin’ireo ratsy saina sy tia ady entina hanapariahana ny toetra ratsin’izy ireo ny facebook. Misy iray mandefa teny kely na sary iray fotsiny dia miara mitambatra ao avokoa ireo mihevi-tena ho be saina sy manam-pahaizana ary tompon’ny vava sy ny fanaratsiana. Hadinon’izy ireny fa na dia miafina ao ambadiky ny telefaonina na ny solosaina aza izy ireo manao ny fanaratsiana sy ny fanalam-baraka olona dia azo atao tsara ny mitady sy mamantatra ny mombamomba azy. Izany no mahatonga ny fisian’ireo mpanao facebook voaantso eny amin’ny mpitandro filaminana ary nakarina fitsarana sy nampidirina am-ponja.

Manaporofo ihany koa anefa ireny fanasaziana ireny fa efa mihatra ilay lalàna manasazy ny heloka bevava amin’ny alalan’ny fampiasana ny internet. Efa nahian’ny sokajina mpanao gazety sasany io lalàna io ary efa nanaovana hetsika maro ny hanafoanana izany. Voaresaka manoka hatramin’izay ilay lalàna mifehy ny serasera sy ny fifandraisana izay tena voakihana mafy nefa nilaza ny mpitondra fa tsy misy fanagadrana izany eo. Izao anefa iaraha-mahita fa misy olona miasa amin’ny haino aman-jery ary misehatra amin’ny resaka serasera naiditra am-ponja noho ny tsy fahaizany mitantana ny pejy facebook izay noforoniny.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre