Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Mikomy ny vahoaka !

Mitohy hatrany ny endrika fikomiana amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Vao tsy ela akory izao teto an-drenivohitra no nisy polisy misahana ny fifamoivoizaina no saika nodarohin’ny olona teny Anosibe. Raha tena jerena amin’ny saina tsy miangatra dia tsy nisy fihetsika ratsy nataon’ilay polisy mihitsy tamin’io fotoana io. Tsy nanara-dalàna ilay mpamilin’ilay fiara fitateram-bahoaka ka saika hosaziana nefa tampoka teo dia nisarongatra ny mpandeha niaro ilay saofera. Tsy vitan’izany fa nisavorovoro ihany koa ny olona teny ivelany ary io saika nihafara tamin’ny fitsaram-bahoaka tamin’ilay polisy mpitandro filaminana sady mpandrindra ny fifamoivoizana io ny raharaha. Raha tena dinihina ny zava-nisy dia tsy nisy antony tokony hisian’ny savorovoro mihitsy. Tsapa kosa anefa fa misy sokajin’olona efa tena miandry kendry tohana fotsiny mba hisian’ny hetsi-bahoaka miharo fikomiana eto Madagasikara. Raha ilay tranga teny Anosibe mantsy dia tsy nisy mpanao politika  nitarika sy namporisika ny olona hisarongatra. Izany hoe tsy nisy ambadika politika fa hetsi-bahoaka nitranga tampoka. Midika izany fa efa maro ny olona no leo amin’ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Mafy loatra ny vesatry ny fahantrana sy ny fahasahiranana ka te haneho hevitra ny vahoaka. Tsy misy mihaino anefa ireo fitarainana ka lasa any amin’ny fampisehoan-kery sisa no vahaolana hitan’ny sasany fa mety hanaitra ny tompon’andraikitra.

Tranga iray hafa mampiseho ny endrika fikomiana ihany koa ilay korontana notarihin’ny mpitarika posy sy mpitondra bisikileta tany Toliara iny. Fandaminana no noheverin’ny tompon’andraikitry ny tanàna hatao nefa sakoroka no valiny. Midika izany fa tsy tan-dalàna intsony ireo mpitatitra ireo ary tsy mila fifanazavana fa tonga dia ny fampiasan-kery no hitany fa vahaolana. Tsy sanatria akory olona vonona ny hanakorontana sy hanimba ny tanàna na efa ireny mpitarika posy bisikileta ao Toliara ireny fa vahoaka madinika toy ny olon-drehetra ary sahirana noho izao fahantrana lalina mianjady amin’ny firenena izao. Matoa izy ireo vonona ny hiady dia noho ny fiarovany ny asa fivelomany izay voatohintohina noho ny fandaminana ataon’ny kaominin’i Toliara. Mitovy tsy misy valaka amin’ny zava-misy eto an-drenivohitra ny ao Toliara. Ny eto Antananarivo indray dia saika ny sokajin’olona rehetra mihitsy no iharan’ny antsojay ataon’ny kaominina noho ny fepetra izay heverin’ireo manam-pahefana ao amin’ny lapan’ny tanàna fa fandaminana. Tsy mahazo manao ny asany ny mpivarotra, tsy azo ijanonan’ny fiara eny amin’ny sisin-dalana, tsy azo atao ny manorina trano, tsy azo atao ny peta-drindrina,…lava be ny lisitra raha hotanisaina saingy ny azo amehezana azy dia ny hoe maika hanasazy ny kaominina fa tsy maika hampandroso. Hatramin’ny minisitera eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika izay misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena aza sahin’ny kaominina ilana vaniny sy raràna tsy hanangana fotodrafitrasam-pampandrosoana ho an’ny vahoaka.

Tsy misy tokony hahagaga mihitsy raha tsy ilaozan’ny fikomiana eto an-drenivohitra eto. Matetika ary saika ho isan’andro mihitsy mantsy no isian’ny fifandonana eny Analakely eny. Fantatr’ireo mpivarotra tsara fa tsy ara-dalàna ny asan’izy ireo nefa tsy te hahalala izy fa mivarotra ihany no sady sahy ihany koa mihantsy fifandonana amin’ireo polisin’ny tsena. Izay ilay atao hoe fikomiana.

Ny resaky ny olona rehetra eny an-tanàna, eny an-dalana hatrany am-piasana ihany koa dia mirona any amin’ny resaka hetsi-bahoaka sy fikomiana noho ny vesatry ny fahantrana. Mila mandray fepetra hentitra sy mahomby ny fitondram-panjakana mba hisorohana ny fisehon’ny fahadisoam-panantenan’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fikomiana an-dalam-be. Tsy hahazaka krizy sy fitokonana lavareny izany intsony ity firenena ity nefa ahiana hitatra amin’izany ny raharaha raha tsy misy vahaolana maika izao vidim-piainana sy fahantrana tsy mitsaha-miakatra izao.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre