Vous êtes ici :

Samedi 20 Avril 2024

ombre

Io fa mitroatra ny Malagasy

Araka ny efa nampoizin’ny maro manoloana ny olana marobe mitambesatra amin’ny firenena sy ny vahoaka dia io tokoa fa manomboka mitroatra ny Malagasy. Saika ho isan’andro hatramin’ny fiandohan’ity taona ity mantsy dia misy milaza hatrany fa ahiana ny mety hisian’ny fipoahana ara-tsosialy mahery vaika eto amin’ny firenena. Ny anton’izany dia ny tsy fahitan’ny fitondram-panjakana vahaolana mahomby manoloana ny zava-misy izay miharatsy andro aman’alina. Tsiahivina fa vao nitsidika mihitsy ny taona dia nisondrotra ny vidin-tsolika. Nanampy trotraka izany ny fiverenan’ny delestazy. Ankoatra ireo dia niakatra tsikelikely ihany koa ny vidim-piainana. Mbola nilefitra anefa ny vahoaka satria fotoanan’ny fakana bahana sy fanomanana ny asa rehetra hatao ny volana janoary ary maro ireo nanantena fa hisy fiovana manomboka ny volana febroary. Tsy izay anefa no nitranga fa vao mainka niharatsy ny toe-draharaha. Vao nisasaka ny alin’ny 31 janoary hifoha 1 febroary dia niakatra indray ny vidin-tsolika. Vao hamonjy asa ny olon-dehibe ary handeha hianatra kosa ny mpianatra ny ampitson’io dia nisondrotra ny saran-dalana. Ankoatra izany dia niakatra hatramin’ny Ar 2000 ny kilaon’ny vary makalioka sy ny vary gasy novokarina teto an-toerana. Efa nipoaka izany rehetra izany izay vao nilaza ny handray andraikitra ny Fanjakana. Tara loatra anefa satria tsy hita izay fiovana hatramin’izao.

Ny eo amin’ny fahatapahan-jiro no tena manirikiry ny vahoaka indrindra ny mponina amin’ny tanàn-dehibe. Eto an-drenivohitra izao dia maro ny tsy mahita jiro mirehitra sy tsy afaka mampiasa herinaratra mihitsy noho ny delestazy lavareny. Vao amin’ny 6 ora maraina dia tapaka ny jiro amin’ny toerana sasany. Ho an’ny hafa indray dia tapaka amin’ny 8 ka hatramin’ny 12 ora. Miverina indray ny fahatapahana amin’ny 2 ka hatramin’ny 4 ora. Avy eo indray dia tapaka amin’ny 5 ka hatramin’ny 9 ora alina. Tena leo tanteraka ny ankamaroan’ny olona ary maro ireo manao vava fa vonona ny hitokona sy hanao fihetsiketsehana mba entina hanairana ny fitondram-panjakana. Ny mpianatra teny Vontovorona izao dia efa ireny niaraha-nahita ireny fa nidina an-dalambe mihitsy. Nanaraka izany ny teny Anosimasina Itaosy izay sady nibahan-dalana no nandoro kodiarana. Hafatra ho an’ny mpitondra Fanjakana ny toy ireny ary fanehoana fa marary ny vahoaka. Efa ambivitra ny risika hisian’ny fipoahana ara-tsosialy goavana eto amin’ny firenena. Mitovy mantsy ny olana sy aretina mikiky ny vahoaka dia ny delestazy, ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny tsy fandriam-pahalemana, ny fanaparam-pahefana ary ny tsy fahaiza-mitantana ataon’ny mpitondra. Samy tsy mahazaka izany ny rehetra ary samy te hitroatra saingy samy manana ny fotoanany. Iaraha-mahita anefa ny zava-misy fa toy ny rivotra mitsoka ny hetsi-bahoaka ary vetivety dia miparitaka sy mifindra amin’ny hafa. Porofon’izany ireny fitsaram-bahoaka mifanesy amin’ny faritra maro samihafa ireny. Efa manomboka tsikelikely izao ny fitokonana sy ny fitakiana etsy sy eroa ary raha tsy voafehy izany dia ahiana hihitatra amin’ny sehatra sy faritra maro. Eritrereto fotsiny hoe raha samy manao fitokonana sy fanakanan-dalana ny isan-tanàna iharan’ny delestazy angamba dia ny vahoaka rehetra amin’ny tanàn-dehibe no hiaraka hanao izany satria tsy misy tanàna na iray aza eto Madagasikara tsy lasibatr’io fahatapahan-jiro lavareny io. Mila maka fepetra faran’izay haingana sady tena mahomby ny mpitondra hisorohana izany hetsi-bahoaka izany sao tara loatra vao ho kenda vao dony ao Ranaotra. Tena efa alohalika mantsy ny ranom-bary amin’izao fotoana izao ary pitik’afo kely fotsiny dia ahiana hampirehitra ny afon’ny hatezeram-bahoaka. Azo sorohina tsara izany rehetra izany ary misy vahaolana rehefa tena hitady. Tsotra io vahaolana io : farano ny delestazy dia ampidino ny vidim-piainana ary hamafiso ny fametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra. Rehefa miadana sy finaritra ary mahatsiaro sambatra tokoa ny vahoaka dia tsy hisy intsony ny fitarainana sy ny fanakianana ary ny risika hampipoaka ny takobilany.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre