Vous êtes ici :

Vendredi 14 Décembre 2018

ombre

Miraviravy tanana ny Fanjakana

Mifarana sahady indray ity ny herinandro izay tsy hita izay tena vokatra azo raha ny fitantanan-draharaham-panjakana no jerena. Vao mainka aza loza no nitranga satria manomboka miseho tsikelikely ny fipoaky ny hatezeram-bahoaka. Niaraha-nahita ireny korontana sy fikomiana ary fanakanan-dalana noho ny delestazy teny Vontovorona sy Itaosy ireny. Rehefa tena jerena dia fitavozavozana sy tsy fahaiza-mitantana eo anivon’ny fitondram-panjakana sy ny Jirama mihitsy no mahatonga ny fahatapahan-jiro lavareny amin’izao fotoana izao. Mahagaga mantsy fa vao nirotaka ny mponin’Itaosy dia niverina ny jiro teny an-toerana. Hay mahita vahaolana ihany ny Jirama rehefa tofoka tanteraka ny vahoaka.

Rariny sy hitsiny angamba ny vahoaka malagasy raha manao fitakiana amin’ny alalan’ny fihetsiketsehana satria toa tsy misy mihaino ny fitarainana mangingina sy amim-pitoniana. Tsy tahotra tsy henatra akory ny Jirama milaza fa efa mikaroka ny vahaolana hamahana ny delestazy. Mbola sahin’ireo ihany koa ny nirehareha ho mampiahatra ny mangarahara ary namoaka ny praograman’ny delestazy. Toy ny hoe ara-dalàna izany ny delestazy ary izay mihitsy no tokony ho izy. Loza tsy nisy toy izany ! Terena fotsiny ny vahoaka hanaiky lembenana amin’ny fahatapahan-jiro. Ampahatsiahivina hatrany anefa fa mandoa vola ny mpanjifa ary mananjo tanteraka ny hampiasa jiro tsy misy fahatapatapahana izany.

Efa mitady vahaolana hono ny Jirama.”Lol” hoy ny teny fampiasan’ny mpanao facebook rehefa maheno hevitra tsy mitombina toy izany. Tsy vao omaly na afak’omaly anie ny filoham-pirenena no nampanantena fa hofoanana ny delestazy e ! Efa ho 3 taona izao no namerimberenany izany ary saika ho isam-bolana ry zareo no milaza fa nitady ary nahita vahaolana. Tsy hita akory anefa izay tena vokatr’izany. Mahita ambara foana ary ny tena mahamenatra dia ny fanilihana ny andraikitra any amin’ny resaka toetr’andro. Lazaina fa nilatsahan’ny varatra ny fitaovan’ny Jirama dia simba ka tapaka ny jiro. Entina indray ny fanazavana avy eo fa maina ny andro ka ritra ny ranon’Andekaleka ka tsy afaka manodina firy intsony ny milina mpamokatra herinaratra. Io indray fa avy ny orana nefa tsy niverina amin’ny laoniny akory ny famatsian-jiro. Tsy ho lazain-dry zareo indray ve izao hoe be loatra ny rano dia tototry ny antsanga ny milina mpamokara jiro.

Tsy misy mahalala izay tena antony mahatonga izao delestazy tsy ahitan’ny Jirama sy ny fitondrana Hvm vahaolana izao fa ny azo antoka dia tsy fahaiza-mitantana no antony. Ny mpitondra nifandimby teo nahita vahaolana hatrany amin’ny resaka famatsian-jiro koa maninona ny Hvm izay milaza ho tena mahay sy mahavita no tsy mahita fomba hanatsaharana ny delestazy ? Sa ilaozan’ireo miady an-trano ao anaty fitondram-panjakana ao fotsiny. Tsy ny famatsiana herinaratra ihany mantsy no misedra olana eto amin’ny firenena fa ny sehatra rehetra mihitsy no tsy mandeha amin’izay laoniny. Aiza akory izao izay volabe 10 miliara dolara nolazaina fa azo tany Parisy Frantsa tamin’ny volana novambra 2016 iny. Nirehareha fatratra ny mpitondra fa feno ny fepetra rehetra hanatanterahana ny asa fampandrosoana koa maninona no tsy atomboka amin’izay ? Mazava ho azy fa resaka ambony latabatra toy ny mahazatra fotsiny ireny famatsiam-bola tononina etsy sy eroa ireny. Tsy hita izay vokatra azo fa vao mainka aza mampitombo ny fahantrana efa mianjady amin’ny vahoaka malagasy. Lasa mijoro ho mpifehy ny fitantanana ny firenena mantsy ireo mpamatsy vola ka mibaiko ny fanjakana handray fepetra hampijaliana ny vahoaka. Tsy endrikendrika izany sanatria fa tena zava-misy marina ary tsy afenina fa harangarangan’ny banky iraisam-pirenena sy ny tahirim-bola iraisam-pirenena. Izay ireo ihany no manakana ny mpitondra fanjakana malagasy tsy handray fepetra hampidinana ny vidin-tsolika. Mbola izy ireo ihany koa no mandrara ny manam-pahefana malagasy tsy hanome vola intsony ny Jirama. Izany no anisan’ny antony mahatonga ny fiakaran’ny vidin-jiro tsy an-kijanona sy mampitarazoka ny delestazy.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre