Vous êtes ici :

Jeudi 28 Mars 2024

ombre

Feno ny fepetra

Naverin’ny filoham-pirenena indray tamin’iny faran’ny herinandro iny, nandritra ny fitsidihany tany Vohibato fa feno ny fepetra rehetra hanatanterahana ny asa fampandrosoana. Marina tsy hiadian-kevitra izany raha mitombina ny fireharehan’ny fitondram-panjakana fa nahazo famatsiam-bola hatramin’ny 10 miliara dolara i Madagasikara mba hanatanterahana ireo drafitrasam-pampandrosoana efa voafaritra ao anaty politika nasionaly. Raha ny zava-misy ihany koa dia tsy misy intsony ny vato misakana satria efa mivaha avokoa ireo heverin’ny mpitondra fa olana manakana azy ireo tsy hiasa. Tsy misy ny fitokonana lavareny, mangingina ny mpanao politika, mazoto miasa ny vahoaka ary na ny toetrandro aza dia miverina amin’ny laoniny satria iaraha-mahita fa efa avy ny orana izay nandrandraina hatramin’izay.

Vahoaka milamina ny Malagasy ka na dia tsy takona afenina aza fa tsy mandeha araka izay nampanantenaina ny asa fampandrosoana sy ny fitantanana mahomby dia mbola manetry tena sy midiyra amin’ny lojikan’ny fihetsiketsehana ny ankamaroan’ny vahoaka. Anjaran’ny mpitondra izany sisa no manatanteraka ny asa fampandrosoana nampanantenainy. Raha tsy vita izany dia tsy manana fialan-tsiny intsony izy ireo fa tompon’andraikitra amin’izay zava-mitranga eo.

Mila manome vokatra tsara ao anatin’ny fotoana fohy, noho izany ny fitondram-panjakana satria misy fetrany ihany ny fandeferana sy ny faharetan’ny vahoaka. Raha sanatria mantsy tsy misy akory ny asa fampandrosoana dia mety ho feno koa ny fepetra hahafahan’ny vahoaka manao hetsika hanehoana ny fahadisoam-panantenany. Hatreto aloha dia toa kabary no tena betsaka fa tsy hita mihitsy izay tena fiovana amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina. Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-piainana ary mitohy ny kolikoly sy ny fanaparam-pahefana ary ny tsy fandriam-pahalemana.

Tsy hita izay vahaolana aroson’ny mpitondra amin’ireo sehatra mankarary ny mponina ireo fa vitavitan’ny fanambarana sy ny fihetsiketsehana etsy sy eroa. Mody mizara vary sy menaka ary tsaramaso, na ihany koa masomboly sy tranon-tantely  amin’ny olona vitsy dia vitsy izay raha isaina dia tsy ampy 0,1%n’ny vahoaka malagasy akory. Dia izany ve no ireharehan’ny mpitondra fa mihaino sy mahita ary mitondra vahaolana ho an’ny vahoaka izy ireo. Ny vary sy tsaramaso nozaraina tamin’ny fianakaviana vitsivitsy monina eto an-drenivohitra tamin’iny faran’ny herinandro iny izao efa lany sahady dia tsy manan-ko hanina indray ireo nahazo fanampiana vao nitsidika ny omaly alatsinainy.

Tsy fizarana fanomezana kely madinidinika amin’ny sokajin’olom-bitsy notsongaina no atao hoe fitsinjovana ny sosialim-bahoaka fa ny fampidinana ny vesatry ny vidim-piainana. Mila vidin’entana mora ny vahoaka ary mila asa ihany koa hahafahany mitady vola hamelomany ny tenany sy ny fianakaviany ary hahafahany mampandroso ny firenena. Ambony loatra ny vidim-piainana eto Madagasikara ary raha atao tomba-maso tsotra dia ny fiakaran’ny hetra isan-karazany no tena mahatonga izany ankoatra ny fahambanian’ny sandan’ny ariary. Tsy hita anefa izay vokatra azo amin’ny fampiasana ireo hetra voaangona. Raha ny fanazavan’ireo mpitondra ambony dia lany anakaramana ny mpiasam-panjakana sy ampiodinana ny sampan-draharaham-panjakana fotsiny ny hetra fa tsy misy ambiny hampiasaina hanaovana tetikasam-pampandrosoana. Izany hoe natao hamelona ny mpiasam-panjakana fotsiny izany ny vahoaka nefa tsy hita izay tambiny sy tombony azo avy amin’izany.

Misy fitantanana tsy mahomby ao matoa tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny asa fampandrosoana. Mbola misy dia misy tokoa ny kolikoly sy ny kitranoantrano ao anatin’ny fitantanan-draharaham-panjakana rehetra koa tsy mahagaga raha tsy mety mandeha amin’ny tokony ho izy ny asa fampandrosoana nampanantenain’ny filoha. Mbola maro ny sokajin’olona mamboly voky tsy mamboly voky ary havanana amin’ny fitavanana ny volam-panjakana sy tombontsoa mihoa-pampana any anaty sampan-draharaha any. Ireny olona ireny no anisan’ny fanetry be tsy mampandroso ity firenena ity. Mody hoe mpikambana anaty kabinetra nefa tsy haninon-tsy haninona fa mitsentsitra ny hatsembohan’ny vahoaka malagasy fotsiny. Efa feno kosa angamba izao ny fepetra hanafoanana ireny katsentsitra ireny tsy hanao ampihi-mamba ny volam-bahoaka intsony.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre