Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Fifidianana alohan’ny fotoana

Toa mampirisika ireo mpanao politika hanafaingana ny fiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Hita fa efa tena dodona sy maika ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny asa fampandrosoana ny firenena ny rehetra. Raha ny hiditra ao anaty Governemanta na dia tsy hahazo toeran’ny minisitra aza fa mba miara-mitavana any amin’ny sokajin’ny mpiasam-panjakana ambony sy mpanolo-tsaina ary mambran’ny kabinetra no tena imasoan’ireo mpanao politika maivankitsaka dia ny haka ny toeran’ny filoham-pirenena mihitsy no hiomanan’ireo efa manana ny tanjany. Mazava ny hafatr’i Andry Rajoelina, filohan’ny tetezamita teo aloha fa tsy misy na iza na iza afaka hisakana azy raha te hilatsaka hofidiana filoham-pirenena izy amin’ny taona 2018. Marina ny azy satria zony tanteraka izany ary misy ny vahoaka tena mangataka mafy ny hirotsahany mihitsy. Toy izany ihany koa i Marc Ravalomanana izay tsy mitsahatra ny mamerimberina fa ho kandida amin’ny fifidianana manaraka. Ankoatra ireo dia efa hatramin’ny ela i Edgard Razafindravahy no nanao fitetezam-paritra sy manamafy ny toerany eo anivon’izao tontolo izao sy manomana ny sain’ny mpifidy amin’izy tetikasam-pampandorosoana harosony eo. Ny an’ity mpitarika ny antoko And ity moa dia ny fanavaozana ifotony ny rafitra federalisma no heveriny ho vahaolana tokana hahafahana mampandroso an’i Madagasikara. Mazava ho azy fa tsy ho tanteraka izany raha tsy lany ho filoha amin’ny alalan’ny fifidianana izy.

Toa ela loatra anefa ilay fifidianana manaraka izay amin’ny taona 2018 raha haingana indrindra. Maro ny efa mihevitra sahady fa raha ny fomba fiasan’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao dia amin’ny 2019 any vao hisy ny fifidianana filoha manaraka. Tsy andrin’ny rehetra anefa izany satria ny firenena dia latsaka an-katerena tanteraka nefa tsy hita izay tena vahaolana aroso. Manaporofo izany ny fanovana matetika ny mpikambana ao amin’ny Governemanta sy ireo mpiasam-panjakana ambony ary ireo tompon’andraikitra lehibe amin’ny orinasam-panjakana. Hita ho tsy mahomby anefa io tetikady iray io satria isan-taona izao ve dia hanova governemanta hatrany. Lany andro amin’ny fanendrena sy fanesorana tompon’andraikitra ity fitondram-panjakana ity ka tsy mahavita asa mivaingana fa mionona amin’ny fikarakarana atrikasa sy fandrafetana tetikasa fotsiny sisa. Raha ny tena tokony ho izy mantsy dia herin-taona mahery kely eo ho eo sisa no fotoana fitondran’ny filoha ankehitriny dia hifarana. Inona avy anefa no asa fampandrosoana napetrany tao anatin’izay fotoana izay. Nisy fa kely ary tsy araka ny nampanantenaina. Raha atao ny fampitahana dia azo ambara fa miiba ny vokatra satria tsy mahafeno ny banga amin’ny fihemorana ny asa fampandrosoana napetraka. Nanamboatra lalana vitsivitsy ny fitondrana saingy tsy azo odian-tsy hita fa simba avokoa ny lalana hafa manerana ny Nosy. Porofo akaiky maneho izany ny eto an-drenivohitra. Vita tsara ny eny Soarano fa ankoatra io dia miverina avokoa ny lavadavaka rehetra manerana ny tanàna. Nametraka fotodrafitrasa famokarana herin’aratra vaovao nyf itondrana saingy io iaraha-mahita io ny delestazy izay mampiseho fa ny olona efa nanana jiro taloha aza lasa miaina ao anaty haizina hatramin’ny taona 2014. Napetraka ihany koa ny toby sy andian-tafika isan-tsokajiny hiadiana amin’ny dahalo nefa raha hampitahaina tamin’ny tranga talohan’ny taona 2014 ny tahan’ny tsy fandriam-pahalemana ankehitriny dia hita fa avo dia avo. Santionany kely amin’ny raharaha tsy manjary eto amin’ny firenena ireo noresahina ireo ary mahatonga ny tsy fisian’ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny fitondram-panjakana intsony. Izany antony izany no manery ny mpanao politika manam-piniavana hampandroso marina hihetsiketsika sahady amin’ny fanomanana ny fifidianana manaraka. Ary sao dia mba tokony haroso amin’ity taona ity tokoa ary io fifidianana amin’ny 2018 io hahafantarana izay tena tian’ny vahoaka marina?

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre