Vous êtes ici :

Samedi 20 Avril 2024

ombre

Miandry vokatra !

Hita fa nisy fanatsarana ny famatsiana herinaratra ho an’ny mponin’Antananrivo sy ny renivohitra. Tsy nisy intsony ny delestazy maharitra elabe ho an’ny tanàna maro. Misy ihany ny fahatapahana madinidinika saingy toa mandalo kely fotsiny izany dia miverina. Mitondra fanazavana matetika ny eo anivon’ny orinasa Jirama fa efa mandeha ny asa fanarenana rehetra ary mitombo miandalana ny famokarana herinaratra. Raha mitohy tsy misy tomika izany fanarenana izany dia heverina fa hihoatra ny filan’Antananarivo ny famokarana ato ho ato. Izany hoe raha tenenina mivantana dia hifarana hatreto ny nofy ratsin’ny delestazy. Efa vaovao tsara izany ho an’ny mpanjifa ary ankasitrahan’ny vahoaka satria vahaolana toy izany no ilain’ny rehetra. Tsy ny mponin’Antananarivo irery anefa no vahoaka malagasy fa ny olona rehetra manerana an’i Madagasikara. Izany hoe mila vahaolana maharitra amin’ny delestazy ihany koa ny any amin’ny faritra rehetra any ary ireo toerana tsy mbola nanana jiro hatramin’izay dia tokony homena. Raha tontosa izany dia afaka miteny sy mirehareha amin’izay ny mpitondra fa tena nahavita asa fampandrosoana mivaingana.

Tsy ny resaka famatsian-jiro ihany koa anefa no andrasan’ny mponina fa sehatra maro amin’ny fiainana andavanandro no mila ezaka asa mivaingana ao anatin’ny fotoana fohy. Ho an’ny eto an-drenivohitra izao dia tena efa manomboka simba sy sarotra ampiasaina ny lalana rehetra. Maro ireo lavaka be eny afovoan’ny arabe nefa jerem-potsiny. Eo Soarano, amin’ilay lalana vao avy namboarina vao haingana kely iny ary misy vavan-tatatra tsy misarona nefa dia jerem-potsiny tsy misy manarona. Tena loza ho an’ny fifamoivoizana ireny lavaka be ireny satria ankoatra ny fitohanana aterany dia sady manimba fiara no mety hiteraka fandratrana olona mihitsy raha sanatria misy fiara latsaka ao. Andrasan’ny mpampiasa lalana noho izany ny fanamboarana ireny fotodrafitrasa simba ireny satria tena iankinan’ny fizotry ny andavanandrom-piainan’ny vahoaka mihitsy izany. Vitan’ny Fanjakana raha izay hanampina lavaka eny amin’ny arabe izany. Efa niaraha-nahita fa vetivety ireny lalana ireny dia voatampina raha tena te hanao ny mpitondra. Porofon’izany ny zava-nitranga talohakelin’ny frankofonia.

Ny fampidinana ny vidim-piainana ihany koa dia tena anisan’ny zava-dehibe andrandrain’ny vahoaka malagasy. Raha tena mitady vahaolana toy ny natao tamin’ny delestazy eto Antananarivo ny mpitondra dia antenain’ny maro fa hahita tetika hampidinana io vidim-piainana io. Ohatra iray manaporofo fa azo atao ny mahita vahaolana toy ny efa natao tamin’ny saran-dalana. Ireny niara-nijoro ireny fa tsy hanondrotra ny saran-dalana ireo mpanao fitaterana hita fa tena matianina. Ireo kaoperativa mitsipozipozy nefa tia tena sisa no miziriziry amin’ny Ar 500 nefa ny kalitaon’ny tolotra sy ny asa ataon’izy ireo tena  “aotra” raha asiana naoty. Mila ampidinina ihany koa ny vidim-bary sy laoka mba hahafahan’ny vahoaka misakafo ara-dalàna satria tena hita ny vesatry ny fahantrana sy ny tsy fahampiana amin’izao fotoana izao. Mila ezaka sy fandraisana andraikitra avy amin’ny fitondram-panjakana izany rehetra izany satria tena iankinan’ny fiainam-bahoaka mivantana. Tsara ny mizara fanampiana etsy sy eroa saingy tsara kokoa ny fanatsarana mivantana ny ara-tsosialy.

Raha te hisoroka ny tsikera sy ny fitokonana mitranga etsy sy eroa ny fitondram-panjakana dia ny famahana ny olam-bahoaka sy ny fanatanterahana ny hetahetan’ny mponina ihany no vahaolana tokana sy mahomby hanatanterahana izany. Izay rahateo no asa aman’andraikitra nankinina tamin’ireo mpitondra ary handraisan’izy ireo karama sy tombontsoa be ao anaty Fanjakana ao. Ny vahoaka malagasy dia anisan’ny vahoaka hendry ary tsy sarotiny firy amin’ny fitondran-tenan’ny manam-pahefana saingy kosa manantena ny fisian’ny vokatra mivaingana sy ny asa fampandrosoana.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre