Vous êtes ici :

Jeudi 28 Mars 2024

ombre

Mbola lavitr’ezaka !

Azo lazaina ho nilamindamin-dratsy ihany ity herinandro hifarana rahampitso ity raha ny raharaham-pirenena no jerena. Somary nampitonitony ny hatezeram-bahoaka mantsy ny fanatsarana nentin’ny JIRAMA tamin’ny resaka famatsian-jiro.  Na dia tsy mbola tomombana tanteraka aza dia hita fa efa nivoatra ny fikatsaham-bahaolana ho famaranana ny delestazy raha ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina fotsiny no jerena. Izany hoe mahita vahaolana ihany ny tompon’andraikitra rehefa misy ny fanerena. Na inona na inona mantsy fanazavana entin’ireo manam-pahefana dia heverin’ny rehetra fa anisan’ny nahatonga izao fandraisana andraikitra izao ny fikomiana nataon’ny mpianatr’i Vontovorona sy ny mponin’Anosimasina Itaosy. Tsy mba anisan’ireo sokajin’olona mpimenomenona sy be taraina fotsiny ny eny Vontovorona sy Anosimasina fa sahy mitaky ny zony amin’ny alalan’ny fihetsiketsehana. Efa nanambana ny hanao toy izany ihany koa ny teny Ambohipo, sy Ankatso ary ny faritra maro manerana ny renivohitra raha mbola mitohy ny delestazy. Mazava ho azy fa niafara tamin’ny fitokonana faobe manerana ny tanàna ny zava-nitranga ka nikoropaka naka fepetra sy nitady vahaolana faran’izay haingana ny fitondram-panjakana. Tsara sady nety ny nataony satria io mba miverina amin’ny laoniny tsikelikely io ny famatsiana herinaratra.

Na izany aza ve dia ho voatery hanao fikomiana foana ny vahoaka malagasy vao mba afaka ny hisitraka ny zony ? Tsy sitrapon’ny ny vahoaka ny hitokona saingy rehefa tena mihoatra ny zakan’ny aina ny zava-misy dia tsy maintsy tonga amin’ny fihetsiketsehana ihany ny fitakiana sy ny fitarainana. Ankoatra ny delestazy mantsy dia mbola anisan’ny fery mikiky ny vahoaka ihany koa ny resaka tsy fandriam-pahalemana. Miha mahery vaika ary mivadika biby araka ny fomba fiteny mihitsy mantsy ny mpanao ratsy amin’izao fotoana izao. Vao tamin’ity herinandro ity izao no nisy mpampianatra vehivavy sady mitondra vohoka naolana sy novonoina ho faty. Tovolahy hafa ihany koa no sady voaendaka no maty voatsindron’antsy teny Ambanidia. Ankoatra ireo dia saika ho isan’andro no ahenoana vonoan’olona sy fandrobana ary fanolanana amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Ny tranga toy izany no mahatonga ny Malagasy hiroso amin’ny fitsaram-bahoaka. Tena tsy ara-dalàna ary tsy eken’ny saina io resaka fitsaram-bahoaka io nefa zava-misy ary sarotra ny mamaha azy. Na dia manao fanentanana matetika sy miantso ny vahoaka tsy hiroso amin’izany aza ny manam-pahefana sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny dia vao mainka mirongatra io fomba fanao ratsy io.

Raha ampy anefa ny fandraisana andraikitra manoloana ny tsy fandriam-pahalemana dia ho foana ho azy ny fitsaram-bahoaka. Raha voasambotra ny mpitandro filaminana ary voasazy mafy eo anatrehan’ny fitsarana ireo mpanao ratsy dia ho foana ho azy io fitsaram-bahoaka io. Matoa mantsy mitombo isa ny olon-dratsy dia tsy atahoran’izy ireo intsony ny sazy miandry azy raha voasambotra izy ireo. Hatreto aloha dia ny fitsaram-bahoaka ihany no sazy atahoran’ny mpamono olona sy mpanolana ary mpangalatra. Ankoatra ny maha fiarovan-tena azy dia maneho endrika fikomiana io fitsaram-bahoaka io satria fantatra izao fa tsy ara-dalàna nefa inian’ny fokonolona atao ihany. Misy endrika fanararaotana ihany koa ary efa miroso tsikelikely any amin’ny resaka fanakorontanana. Ny tena loza dia lasa ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana indray no mifandramatra noho ny afitsoky ny olon-dratsy. Ny mpitandro filaminana manao izay hanajana ny lalàna ary ny vahoaka kosa mitaky ny hamonoana ireo nahavanon-doza.

Mbola betsaka ny ezaka tokony hataon’ny mpitondra Fanjakana eto Madagasikara mba hametrahana firenena mandroso sy fiarahamonina vanona. Tsy vitan’ny fitokanana efitranon-tsekoly sy ny fizarana fanomezana kely etsy sy eroa mantsy ny asa fampandrosoana fa mila ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka amin’ny lafiny rehetra mihitsy.

 

Ravalo tsu Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre