Vous êtes ici :

Vendredi 26 Avril 2024

ombre

Besakoa Toliary – Fatin-jana-tsokatra efa loa miisa 70 naparitaka teny an-dàlana

Ringana ny harena ankibon’ny tany eto amintsika. Na maro aza ireo sokatra sy volamena na biby tsy misy afa tsy eto Madagasikara saika haondrana any ivelany dia mbola maro ihany ireo mpanao trafika, manao izay tetika rehetra hivarotana antsokosoko ny harenan’ny Malagasy. Vao omaly maraina izao no nahitana fatin-jana-tsokatra manodidina ny 70 isa teo teny amin’ny faritra Besakoa Toliary. Araka ny vaovao voaray dia efa loa ary tena namofona ireo biby ireo izay nisy nanaparitaka teny amin’ny lalana. Saika naondrana antsokosoko ireo sokatra kely ireo saingy tsy tafavoaka ka maty tao anaty gony raha ny voalazan’ny mponina teo amin’ny manodidina. Hatramin’izao dia tsy mbola fantatra hoe iza ireo olona mpanao trafika ao an-toerana ireo sy ny toerana saika hanondranana azy. Marihina fa voararan’ny lalàna ary sazy hentitra sy mazana no mety hahazo ny tompon’andraikitra tamin’ity tranga ity. Toy ireo zandary sy mpanara-maso voarohirohy tamin’ilay resaka fanondranana sokatra an-tsokosoko izao dia sazy mihatra 10 volana sy lamandy 10 tapitrisa ariary no azon’izy ireo.

Ra Tax. 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre