Vous êtes ici :

Mercredi 24 Avril 2024

ombre

Maromandia – Analalava – Andian’olona mitaky ny fialan’ny Ben’ny tanàna

Nandritra ity fitondran-dRajaonarimampianina ity dia voatapim-bava avokoa izay mikasa ny hanohitra ny tsy rariny, izay misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainam-bahoaka.

Tsy misy ny fahalalahana miteny eto amintsika fa anarana fotsiny ilay hoe firenena demokratika i Madagasikara. Ohatra, iray fotsiny ilay tao Soamahamanina, nogadraina ireo Vahoaka Malagasy niaro ny tanindrazany. Amin’izao fotoana izao dia mafampana ihany koa ny toe-draharaha ao Maromandia, distrikan’Analalava. Ny alakamisy lasa teo mantsy dia nisy andian’olona maherin’ny 30 isa teo nilanja sora-bavety eraka ny tanàna mangataka ny hialan’ny Ben’ny tanàna ao an-toerana. Araka ny vaovao voaray tany an-toerana dia ny tsy fankasitrahan’izy ireo an’io Ben’ny tanàna izay efa tafiditra tamin’ny raharaha maloto no anton’io fitakiam-pametraham-pialana io. “Tsy ekena intsony ny lehiben’ny kaominina mamono olona”, hoy ireo sora-baventy. Voalaza mantsy fa efa naiditra am-ponja tamin’ny raharaha famonoana olona ity rangahy mpitantana ny tanànan’i Maromandia ity. Nanamafy ireto mpikomy fa fitakiana tsotra ihany no nataon’izy ireo fa tsy misy ambadika politika akory. Nirohotra nankany amin’ny kaominina izy ireo hanakatona ny biraon’ity farany rehefa avy nivory teo amin’ny toerana iray izay tsy nahazoana alalana akory. Rehefa tonga teny an-toerana dia nofantsihan’ireto andian’olona ireto ny varavaran’ny biraon’ny Ben’ny tanàna ary tsy nokitihana fa navela niasa kosa ny sampan-draharaha hafa tao amin’ny kaominina. Tsy nisy anefa ny kotaba sy ny korontana be nandritra ny fitakiana ary rehefa tonga teny an-toerana ireo zandary dia niparitaka ireo mpikomy. Nony hariva ny andro dia niverina tamin’ny laoniny ny filaminana tao an-toerana. Mbola mandeha anefa ny feo fa tsy hijanona ireto mpitaky raha tsy miala eo amin’ny toerany ny lehiben’ny kaominina.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre