Vous êtes ici :

Jeudi 18 Avril 2024

ombre

Sambava – Mpianatry ny Ceg nahitana antsy maranitra

Tsy fahafehezan-tena manoloana ny fiparitahan’ny horonan-tsary mihetsika avy any ivelany rehetra io ve no mahazo ny zaza Malagasy, indrindra ny adolantsento ka maka tahaka be fahatany ny fomba fiainan’ny zana-bazaha. Tia andrakandrana sy tsapatsaka ka miafara amin’ny fitondrana zava-maranitra amin’ny toerana rehetra hanararaotana handratrana olona raha sendra ka misy korontana tampoka na faniriana te higafy tsotra izao. Toy ny mpianatra iray izay tratra nivatsy antsy maranitra tany an-dakilasy tany Sambava. Raha nahatsikaritra izany ny mpianatra namany dia nitatitra tamin’ny mpanabe ary ity farany no nampandre avy hatrany ny manam-pahefana. Rehefa notanterahina ny fisavana azy dia nahitana antsy maranitra maromaro tao anaty kitapony. Rehefa nohadihadiana izy dia nilaza fa handeha ho any an’ala aorian’ny firavana. Ny zavatra nanaitra ireo izay nanatrika dia nahitana bolozy ny mpianatra amin’ny sekoly tsy miankina iray tao anaty kitapony. Araka ny loharanom-baovao dia nisy fety tany amin’io sekoly io. Taorian’izay, nentina tany amin’ny ray aman-dreniny izy. Nilaza anefa ireto farany fa handeha ho a y an-tsekoly no nialany tao an-trano, izy ireo rahateo tsy manana tanim-boly araka ny fanazavan-dreniny hatrany. Raha efa izany rehetra izany dia natolotra ny polisy izy mba hatao famotorana.

 

Farah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre