Vous êtes ici :

Jeudi 28 Mars 2024

ombre

Toetrandro – Mampitandrina ny ao amin’ny faritra atsimo ny Météo

Misy ny fampitandremana amin’ny hamafin’ny fitsiokan’ny rivotra ho an’ny morontsiraka atsimon’ny Nosy, izay vokatry ny anticyclone izay mahery tokoa. Ao ihany koa ny fampitandremana amin’ny hamafin’ny onjan-dranomasina ho an’ireo faritra ireo ihany, izany hoe any atsimon’ny Nosy, izay vinavinaina ho amin’ny sabotsy 18 febroary  sy ny rahampitso. Ka aoka isika mpampiasa ranomasina mba tsy hiandriaka amin’ireo andro voalaza ireo. Efa tonga amin’ny faritra mena kosa ny any atsimo sy atsimo andrefana raha ny fambara nomen’ny sampan-draharaha mikasika ny toe-trandro. Marihina fa mety hihitatra hatrany Analanjirofo hatramin’ny alahady izany hamafin’ny onjan-dranomasina izany, ka manasa antsika hanaraka hatrany ny vaovao avoakan’ny Météo Madagascar. Mampitandrina mafy ireo mpampiasa ranomasina ny  sampan-draharaha ny fizahana ny mety ho toetry ny andro mba hitandrina tokoa ary tsy hiandriaka mihitsy aza, indrindra fa ny alahady ho an’ny faritra Analanjirofo satria dia mitera-doza ho an’ny rehetra izany.  Hahatratra hatrany amin’ny telo metatra ny haavon’ny onjan-dranomasina vokatry ity rivotra mahery entin’ity andro ratsy ity.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre