Vous êtes ici :

Jeudi 28 Mars 2024

ombre

Be tetika fa kely lalana

Iza avy no efa nandeha tamin’ilay fiarabe vaovao mahazaka olona 49 ? Raha ny tokony ho izy mantsy dia efa niasa nanomboka tamin’ny fotoana nampisehoana azy ireny fitaovam-pitaterana ireny. Toy izany avokoa ny fomba fanao any amin’ny firenen-kafa rehetra. Tany Afrika izao nisy firenena iray nitokana ny fampiasana ny fiarandalamby haingam-pandeha (Tgv) dia nitaingina avokoa ny manam-pahefana rehetra ary taorian’izay tonga dia niasa ho an’ny sarambabem-bahoaka ilay fitaterana. Tsy toy izany kosa ny eto Madagasikara fa toa nalaina sary sy nojerijerena fotsiny ireo “bus be” izay lazain’ny mpitondra fanjakana fa hamahana ny olan’ny fitaterana eto an-drenivohitra. Toy ilay lalana eny Tsarasaotra mankany Ivato ihany : notokanana fotsiny dia avy eo tsy azo ampiasaina akory.

Tsara tokoa ireo fiarbe fitateram-bahoaka ary tena raikitra sy manaraka ny fenitra takian’ny vanim-potoana ankehitriny saingy toy ny tsy misy ihany izy ireny raha mbola tsy afaka hitaingenan’ny vahoaka. Rehefa nampahafantarina dia tokony ho azo ampiasaina avy hatrany fa tsy mbola hiandry fivoriana sy fifampidinihana ary fakan-kevitra etsy sy eroa izany. Bus mbola tsy hiasa akory no ireharehana sy dokadokafana. Tsy fomba fiasa toy izany no ilain’ny vahoaka fa vokatra mivaingana sy misy fiantraikany amin’ny andavanandrom-piainan’ny mponina. Rehefa manolotra dia tena manolotra fa tsy mampilendalenda na manome tsy foy foy. Tetikasa efa masaka no ilain’ny Malagasy fa tsy fiara fitaterana mbola itadiavana mpividy.  Tamin’ny andron’ny fitondran’ny Filoha Didier Ratsiraka dia efa nitobaka sy niasa teto an-drenivohitra ny Antafita vao gaga ny ankamaroan’ny olona hoe nisy kaoperativa vaovao nanampy ny Fibata sy ny Fima. Tsy nisy an’izay hoe naseho aloha ireo fiara dia mbola hiaraha-midinika ny fomba hampiasana azy toy ny amin’izao fotoana izao. Toa lasa ankandasotra fotsiny sisa ny asa fampandrosoana sy ny fampanantenana fa tsy miroso amin’ny tena fampiharana azy.

Ankoatra izany dia efa maro sahady ny manahy ny fikorontanan’ny fifamoivoizana aterak’ireo fiarabe ireo raha tahiny ka tena hiasa eto an-drenivohitra tokoa izy ireo any aoriana any. Iaraha-mahafantatra mantsy fa tery dia tery ary efa tsy maharaka ny isan’ny fitaovam-pitaterana mifamezivezy intsony ny lalana eto Antananarivo. Ny afitsoky ny taxibe sy ny taxi, ny skotera ary ny posy sy sarety aza efa tsy hita izay hanaovana azy. Angamba dia asa fotsiny ny fitohanana eto raha toa ka misy am-polony maro amin’ireo bus be vaovao ireo hiasa eto. Raha ny fanazavan’ny teknisianina amin’ny fandrindrana ny fifamoivoizana dia tsy mahazaka handray karazam-pitaterana hafa intsony ny lalana eto Antananarivo. Izany antony izany no antony hamerana ny fivezivezen’ireo kamiao sy posy ary sarety mba tsy hanelingelina be loatra ny fifamoivoizana amin’ny fotoana mahabetsaka ny fiara. Io antony io ihany koa no nametrahana lalàna mifehy ny fiantsonana sy ny fijanonan’ny taxi sy ny taxibe. Ankoatra izany dia efa nisy mpandraharaha nangataka ny hampiditra ireo fiara kodiaran-telo Bajaj hanao fitaterana eto an-drenivohitra fa tsy mbola nahazo fankatoavana noho ny fahasarotan’ny fandrindrana ny fifamoivoizana.

Izao anefa dia ny fiadidiana ny Repoblika mihitsy no nampiditra ny tetikasa hampiasana bus be eto Antananarivo. Eto akory tsy toy ny any Sydney na Paris, na ihany koa Californie izay manana lalam-be mikodana azon’ny fiara 3 indray milahatra ka ahatonga ny bus be tsy manelingelina ny hafa. Ny eto an-drenivohitra dia tena tery dia tery ny lalana ary tsy mahazaka fiara lehibe mifanena izany intsony. Be tetika fotsiny nefa kely lalana.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre