Vous êtes ici :

Mercredi 24 Avril 2024

ombre

Nihotsahan’ny tany – Nokarohina adin’ny telo ilay razana vao hita

Anisan’ny asa mampidi-doza ny fangadiana ireny vovo na lava-drano ireny. Ny sabotsy lasa teo dia lehilahy efatra no nidiran-doza tao amin’ny kaominina sy distrikan’i Farafangana, faritra Atsimo Atsinanana. Araka ny vaovoa voaray dia mpanamboatra trano izy ireo ary saika hanamboatra vovo mba hangalana rano ahafahana manatanteraka ny asa. Teo ampangadiana izany anefa izy ireto no niharan-doza. Rehefa tafidina tany ho any amin’ny 50 metatra ambanin’ny tany ry zalahy dia nihotsaka tampoka ny tany ka ny iray tamin’izy efa-dahy no tena tsy avotra intsony raha toa ka nahita hevitra nivoahana ny lavaka ny ambiny. Nikoropaka ny rehetra ary niantso avy hatrany ny mpamonjy voina tao an-toerana. Naharitra ora telo teo ny fikarohana azy. Tsy avotra intsony moa izy ary efa vatana mangatsiaka tsy misy aina intsony no natolotra ny fianakaviany.

 Ra Tax.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre