Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Olombelo Ricky – Feno hipoka ny Pim’s, nahafinaritra ny seho

Matetika rehefa fampisehoan’ny tarika Olombelo Ricky dia feno hipoka foana ao amin’ity toerana iray fanaovana seho ity. Tsy aiza izany fa ao amin’ny Piment Café eo Behoririka. Tsy mahagaga loatra satria kely loatra ao amin’io toerana io raha mpanakanto efa zatra sehatra goavana toa itony no misafidy hisehatra ao. Nefa raha ny marimarina kokoa dia izay mihitsy ny tanjony satria ny mba hanakaikaizany ny mpankafia azy rehefa mihira izy. Feno hatrany amin’ny varavarana fidirana noho izany ilay fampisehoana tamin’ny zoma lasa teo ary azo lazaina fa nahazo ny anjarany avokoa izay tonga tao, eny na dia misy aza ireo voatery nitsangana satria tsy nisy intsony ny seza. Niarahany sy ny mpankafia azy niredona tao avokoa ireo hira nahafantarana azy izay niarahany tamin-janany lahy teo amin’ny Cajón sy mpitendry gitara beso iray. Nafana ny seho ary nisy mihitsy aza ireo mpijery tsy voatana fa nandihy sy nihira mafy. Avy koa moa ny orana tamin’io fotoana io ka vao mainka naredona ny tao anatin’ilay « lapa kely ».

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre