Vous êtes ici :

Vendredi 29 Mars 2024

ombre

Vonona hifaninana

Mbola tsy fantatra mazava akory na ny taona 2018 na ny 2019 no hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena manaraka dia efa misahotaka sahady ny tontolo politika eto Madagasikara. Samy somebiseby sy mihetsiketsika avokoa ny vondron-kery sy ny firehana rehetra. Ny antokom-panjakana no tena voakasik’izany akaiky. Ny olana anefa dia lasa misy fiantraikany amin’ny fiainam-pirenena izany. Hita misongadina amin’ny fomba fiasa sy ny fihetsik’ireo minisitra sy mpiasam-panjakana ambony hafa fa misy olana eo anivon’ny antoko Hvm. Samy manana ny heviny entina hanatsarana ny fomba fitantanana ny firenena sy ny fikarakarana sahady ny fiatrehana ny fifidianana manaraka mantsy ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny antoko. Misy ireo mihevitra fa ny fanovàna mpikambana ao amin’ny governemanta sy ny fanilihana ny Praiminisitra ankehitriny no vahaolana hanatsarana ny endriky ny antoko eo anatrehan’ny hevi-bahoaka. Ny hafa indray dia hita sahady fa manantena ny handimby ny filoha raha toa ka maka fanapahan-kevitra ny tsy hilatsaka intsony ity farany amin’ny fifidianana manaraka. Heverina anefa fa tsy hanaiky izany ireo hafa te ho lehibe ka dia lasa hifandrirotra an-toerana izy samy izy. Efa tafiditra ao anatin’ny fiomanana ny fiatrehana ny fifidianana ihany koa ny fampisehoan-kery politika sy fahefana manomboka miseho lany amin’izao fotoana izao. Heverina ho tsy kisendrasendra ireny didim-pitsarana nisesisesy izay toa karazan’ny fandemen-tsaina ho an’ny antoko mpifaninana amin’ny mpitondra ihany. Ny sazy famonjana ny loholona avy amin’ny Mapar dia efa nosokajian’ny mpahay politika ho ramatahora ihany. Azon’ny Fanjakana natao mihitsy ny naka fanapahan-kevitra hanafoanana ny fanenjehana io loholona avy amin’ny Mapar io nefa toa vao mainka nohamafisina tamin’ny alalan’ny didim-pitsarana. Toa te hampiseho ny mpitondra fanjakana fa tsy matahotra kapo-tandroka ary tsy azo hivazivaziana satria manana ny hery sy fahefana entina hanafaizana sy hanasaziana izay rehetra mikendry ny hifaninana aminy. Mbola tafiditra amin’ny vono vorona ihany koa ny ady ifanaovan’ny fitondram-panjakana sy ny kaominina Antananarivo renivohitra. Resy foana ny kaominina rehefa miakatra fitsarana ary mihitatra isan’andro ny disadisa eo amin’ny roa tonta. Hita misongadina fa tena misy ambadika politika ny fifanenjenana matetika eo amin’ny minisitra vitsivitsy sy ny mpitantana an’Antananarivo renivohitra. Ady tany izay azo ifandaminana tsara no lasa mihitatra be hatrany amin’ny fifanalam-baraka sy hifampihantsiana ary fitoriana eny amin’ny fitsarana. Efa nampiseho ny heviny amin’ny fahavononana haka fitondrana sy hirotsaka amin’ny fifidianana manaraka mantsy ny lehiben’ny antoko Tim izay mitazona ny familiana ny fitantanana an’Antananarivo amin’izao fotoana izao. Anisan’ny mpifaninana azo heverina fa hanelingelina ny fijanonan’ny Hvm eo amin’ny fitondrana ny Tim ka mety ho izany no isian’ny fifandirana matetika eo amin’ny roa tonta. Ny antokon’ny Ben’ny tanàna rahateo iaraha-mahita fa mampihatra ilay toetra mody tsy miady nefa ny kibay an-kelika ihany. Vao misy hirika kely hahafahany mandetika ny fitondrana dia efa avy izy amin’ny angady sy ny harona. Raha ny fihetsiketsehana rehetra misy amin’izao fotoana izao dia eritreretina fa hifampitady tokoa ireo antoko matanjaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo. Tsy hisy hanaiky ho gisitra eo ary inoana fa efa samy mivonona sahady amin’ny fanaraha-maso ny fizotry ny fifidianana mba tsy hisian’ny fanaparam-pahefana sy ny hala-bato izay efa nampalaza ratsy ny mpitondra rehetra nifandimby teto hatramin’izay. Ny mpanao politika malagasy rahateo toy ny afrikanina ihany ka manao ilay toetra tsy mahazaka resy ary mitabataba sy mikorontana rehefa tsy mahazo ny fahefana amin’ny alalan’ny fifidianana. Dieny izao dia efa tokony mivonona amin’ny fanekena izay vokatra eo izay handray anjara sao hiafara amin’ny krizy vaovao indray io amin’ny 2018 io.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre