Vous êtes ici :

Jeudi 28 Mars 2024

ombre

Hala-jaza – Ny rain’ilay voarohirohy indray no matin’ny fokonolona

Raikitra ny savorivoro ny faran’ny herinandro teo tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Mananasy, ao anatin’ny distrikan’i Soavinandriana. Nisehoana fitsaram-bahoaka mahatsiravina indray tao amin’io toerana io ary antony tsy mahazatra no nitrangan’izany. Ny faran’ny herinandro teo dia nisy zazakely niala tao an-tranon’ny ray aman-dreniny nandeha nilalao ka tsy niverina tao intsony. Nikoropaka tamin’izany ny fianakaviana rehetra ka nampandre ny iray tanàna tsy nahomby anefa ny fikarohana. Voatery namory ny mpiray vodirindrina rehetra noho izany ny fianakaviana ary taorian’ny fifampiresahana no nahafantarana fa tovolahy iray teo an-tanàna ihany no hitan’ny olona nitantana an’ilay zaza, tamin’ny andro tsy nahitana azy. Naleha tany amin’ny trano fonenany avy hatrany ity tovolahy ity ary rehefa nanontaniana dia nandà ankitsirano fa tsy nahita ilay zaza. Romotra tamin’izany ny fokonolona ka avy dia nikasa ny hanao fitsaram-bahoaka. Soa ihany anefa fa nandray andraikitra ny Ben’ny tanàna tao an-toerana ka nitondra ilay voarohirohy tany amin’ny zandary. Tsy nionona tamin’izany anefa ireo olona ireo fa nitaky ny hamoahana azy tao amin’ny toerana nitazomana sy nanaovana fanadihadiana azy. Rehefa tsy nahita vokatra izy ireo dia nandeha tany an-tranon’ity farany ary ny rainy no hitan’izy ireo tao. Tsy nisalasala ny fokonolona fa avy hatrany dia ilay ray niteraka io voatondro molotra io no niharan’ny fitsaram-bahoaka. Daroka sy vono no nasetrin’ny andian’olona azy ary dia maty teo noho eo ihany izy. Ity farany anefa raha ny vaovoa azo hatrany dia tsy nahalala na inona na inona akory fa izao nifatraran’ny rihatra izao. Naharitra ora telo teo ho eo ny savorovoro ary tsy maintsy nandefasana zandary maro tany an-toerana mba hisorohana ny mety ho fihoaram-pefy ataon’ny fokonolona. Efa mandeha ny fanadihadiana sy ny fikarohana ny anaran’ireo nahavanon-doza sy tompon-kevitra tamin’ny famonoana.

R.T.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre