Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Kobaka am-bava

Mahery fo sy tena mazoto ireo mpanao politika mandray anjara amin’ny atrikasa mahakasika ny fadriam-pahalemana sy ny demokrasia tao amin’ny hotely Carlton. Ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana misahana ny fampandrosoana (Pnud) no nikarakara io hetsika io. Samy milaza avokoa ireo mpandray anjara fa resy lahatra amin’ny maha-zava-dehibe ny filaminana sy ny demokrasia mba ho antoka hampandrosoana ny firenena. Raha olona tsy mahalala ny tantaram-pirenen’i Madagasikara dia mety ho velom-panantenana ary hihevitra fa manana mpanao politika hendry ity firenena ity. Tsy izany anefa no zava-misy fa toa lasa resaka ambony latabatra fotsiny ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika malagasy. Saika mitovy fomba fiasa sy fomba fijery avokoa mantsy izy rehetra tsy an-kanavaka. Izay tonga eo amin’ny fitondrana dia manao ny fomba rehetra entina hanapenam-bava ny hafa ary ihany koa hanodinkodinana ny fomba fikarakarana fifidianana mba tsy hahafahan’ny antoko hafa hahazo fahefana. Ireo mpanohitra kosa dia maro no tsy mahandry ny fotoam-pifidianana manaraka ka manao ny fomba rehetra hanonganana ny mpitondra. Ireo krizy rehetra nandalo teto amin’ny firenena dia nitodika tany amin’ny fanonganam-panjakana avokoa. Mody nosalorana hetsi-bahoaka fa rehefa tena nodinihina dia fanonganam-panjakana tsotra izao no nitranga. Mizara telo ny fisehony dia ny fitakiam-bahoaka an-dalambe sy ny fanimban-javatra, avy eo miditra an-tsehatra manampy ny mpitolona ny miaramila, ary farany dia mandositra ny mpitondra rehefa resy. Nitranga teto avokoa izany rehetra izany tamin’ny taona 1972, 1991, 2002 ary 2009. Sady tsy demokrasia izany no tsy fandriam-pahalemana. Ireo mpanao politika mandray anjara amin’ilay atrikasa sady miseho ho olon-kendry anefa dia saika efa nandray anjara tamin’ireo hetsika ireo avokoa.

Mora ny mitsikera ny mpanongam-panjakana nefa misy antony ny mahatonga izany rehetra izany dia ny tsy fanajana ny demokrasia sy ny fahalalahana haneho hevitra. Eken’ny rehetra fa ny fifidianana irery ihany no fomba demokratika hahafahana maka fitondrana saingy kosa rehefa lalaovin’ny mpitondra Fanjakana io fifidianana io dia tsy azo antoka intsony. Izany hoe rehefa mahita ny mpanohitra fa tsy mahomby amin’ny fifandimbiasam-pahefana intsony ny fifidianana dia voatery izy ireo miditra amin’ny hetsika natao handrodanana izay mpitondra eo aloha. Tsy azo hadinoina fa ireo mpitondra Fanjakana niongana teto dia nandresy tamin’ny isam-bato mazava avokoa tamin’ny fotoana nahatongavany teo amin’ny fahefana. Tsiranana dia nahita isam-bato ambony dia ambony tamin’ny niongana, Ratsiraka ihany koa dia nandresy mazava tamin’ny fifidianana talohan’ny grevy 1991 ireny ary Ravalomanana dia vao avy nandresy ny “1er tour” dia vita talohan’ny nionganany tamin’ny 2009.

Raha ny lojika no jerena dia tsy tokony hiongana izany ny olona vao avy nandresy tamin’ny isa mazava nandritra ny fifidianana demokratika. Zavatra roa izany no mety ho antony. Voalohany dia tena tsy nahay nitantana ilay filoha ka tofoka ny vahoaka. Faharoa kosa dia tsy nitombina ny voka-pifidianana izay nandreseny. Izany hoe tsy azo ambara ho tena demokratika ilay fifidianana nokarakarainy ka tsy neken’ny maro.

Anisan’ny antony iray mampipoaka ny hatezeram-bahoaka ihany koa ny fanagejana ny fahalalahana hiteny. Ireo filoha niongana tamin’ny fotoan’androny dia samy nanao izay fomba rehetra hatramin’ny fampiasan-kery mba tsy hamelana ny vahoaka sy ny mpanao politika avy amin’ny mpanohitra hiteny. Toy ny amin’izao fotoana izao mihitsy raha atao ny fampitahana. Lazaina fa misy demokrasia sy fahalalahana eto Madagasikara nefa tsy azo anaovana hetsika politika ankalamanjana. Tsy mety manome alalana na iza na iza avy amin’ny antoko mpanohitra mba hamory sy hitafa mivantana amin’ny vahoaka ny manam-pahefana amin’izao fotoana izao. Efa niarahan’ny rehetra nahita tsara fa mpitandro filaminana an-jatony no avoaka handrava ny hetsika sy hanao ny fisamborana ary hanagadra izay miseho ho mafiloha tsy azo raràna. Resa-be fotsiny izany demokrasia izany eto Madagasikara.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre