Vous êtes ici :

Vendredi 26 Avril 2024

ombre

Antsevabe didy – Olona 1 maty voatifitra, roa hafa naratra

Ao anatin’ny toerana malaza misy ny kariera amin’izao fotoana izao raha ny ao Didy izay nahitana fanafihan-jiolahy mahery vaika ny alin’ny talata 22 hifoha ny alarobia 23 febroary 2017 lasa teo. Tokantrano iray no lasibatra tamin’izany tao amin’ny zana-bohitra iray antsoina hoe Andakazera ao Antsevabe Didy. Maty vokatr’izany ny olona iray raha voakapoka mafy teo amin’ny lohany kosa ny rainy ary voatifitra teo amin’ny sorony kosa ilay ramatoa reniny. Samy mbola manaraka ny fitsaboana sahaza azy ao amin’ny hopitaliben’Ambatondrazaka izy roa ireo amin’izao fotoana izao ary efa mandeha ihany koa ny fanadihadiana lalina ataon’ny tompon’andraikitra mahakasika ity toe-draharaha ity. Mampihorohoro tanteraka ny vahoaka ny trangana tsy fandriam-pahalemana izay nivaivay tanteraka tato ho ato tao anatin’ny faritra Alaotra Mangoro ka ilana ny fandraisana andraikitry ny mpitondra isan’ambaratongany.

Ange R .

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre