Vous êtes ici :

Jeudi 28 Mars 2024

ombre

Ambatondrazaka – Tovovavy iray nohanin’ ny voay

Tovovavy iray 18 taona no tsy misy tanana ila intsony.  Ny faran’ny herinandro lasa teo iny dia tovovavy mpaka herana fanamboarana harona sy tsihy eny amoron-drano ireny no nohanin’ny voay raha izy handeha hanao ny asa fanaony isan’andro iny tao Ambakireny Tsaratanàna, ao anatin’ny Distrikan’Ambatondrazaka. Teo am-panapahana ilay tahona herana iny indrindra anefa izy no nosamborin’ny voay be tampoka ka ny tanany no tratran’iny biby ity raha ny loharanom-baovao azo avy any an-toerana. Ny  sandriny mihitsy no tafiditra tany am-bavan’ny voavy ary dia niezaka nanohitra izy ka  avy hatrany dia tapaka ny tanany iray manontolo. Mbola tafatsoaka nanavotra ny ainy ity tovovavy ity. Nentina notsaboina tao amin’ny hôpitaliben’Ambatondrazaka izy ary dia tsy maintsy nandalo fandidiana ny tenany.

 

S.A. 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre