Vous êtes ici :

Vendredi 26 Avril 2024

ombre

Antsohihy – Mpangalatra finday maty voakapan’ny antsy lava

Vao tamin’ny herinandro lasa teo izay no nisy tovolahy 17 taona monja matin’ny fitsaram-bahoaka noho ny halatra finday dia izao nisy tratra izao koa tany Antsohihy. Tovolahy iray izay mbola tena tanora tokoa no maty tany amin’ny hopitaly vokatry ny kapoka nahazo azy. Raha ny loharanom-baovao dia mpanendaka ity tovolahy ity. Lehilahy iray sendra nandeha teny an-dalana no nisy naka tampoka ny finday teny aminy.  Tsy nanaiky lembenana ny tenany ka nenjehiny avy hatrany ilay mpangalatra. Nentin-kafanam-po be loatra  sy hatezerana ity nanenjika ka  rehefa tratrany ilay jiolahy dia nofirainy tamin’ny antsy lava lela ny lohany nakany ilay finday teny an-tanany. Tao Ampandriakilandy, ao anatin’ny Distrikan’Antsohihy no niseho ny tantara. Finday iray no namoizana aina. Nandriaka ny ra sady mafy  ny ratra nahazo ka rehefa notazonina iray andro tao amin’ny toeram-pitsaboana dia tsy tana intsony ny ainy, ny alatsinainy maraina rehefa nialana nenina. Ny olona teo amin’ny manodidina no nitondra ity naratra nankany amin’ny hôpitaly. Mazava hoazy fa na inona antony na inona antony dia heloka eo anatrehan’ny fitsarana ny famonoana olona. Tsy azo lazaina ho fiarovan-tena anefa no nataon’ity lehilahy nikapa antsy azy ity raha ny fizotran’ny tantara ka dia efa  nandray ny andraikiny ny Zandary tao Antsohihy ary nisambotra ilay nahavanon-doza.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre