Vous êtes ici :

Vendredi 29 Mars 2024

ombre

Fitsaram-bahoaka – Gisa efatra no namonoana ilay rangahy

Tsy milamina ary kely ny fanantenana amin’ny hisian’ny filaminana eto amintsika. Miha mafy ny fiainana ary efa miha kivy ny Malagasy. Nanjary lasa rariny amin’ny toe-tsain’ny sasany noho izany ny famonoana ireo mpangalatra sy ny namany, indrindra fa ireo tratra eo am-panaovana ny asa ratsiny.

Manjaka ny fitsaram-bahoaka ary efa nampitandrina ny mpitandro filaminana tamin’ny herinandro lasa teo fa sazy henjana no azon’ny olona mananteraka izany na inona ny  antony na inona. Etsy ankilany anefa dia very fanahy ny fokonolona satria amin’ny fotoana isehoan’ny halatra, vaky trano na fanendahana dia tsy eo izy ireo hanampy. Tsy mitsaha-mitombo noho izany ity fitsaram-bahoaka ity ary vao tamin’ny talata hifoha alarobia teo no nisy tranga hafa indray tao amin’ny fokontany Mangalaza kaominina Feramanga avaratra distrikan’Ambatondrazaka. Raha ny vaovao azo dia rangahy iray tratra nangalatra gisa miisa efatra no niharan’ny hatezeram-bahoaka ka niafara mihitsy tamin’ny famonoana azy ho faty izany. Nisy nahita ity rangahy ity nangalatra ireo biby fiompy ireo ary raikitra avy hatrany ny fifanenjehana teo amin’ny roa tonta. Tao anatin’ny fotoana vitsy monja anefa dia ny iray tanàna mihitsy no nirotsaka an-tsehatra nanenjika an-drangahy. Naharitra minitra maro ny fifanenjehana ary tratra ihany ity farany. Mbola nandà hatramin’ny farany anefa izy fa tsy nangalatra na inona na inona ka izay no tena nampiaka-pofona ny fokonolona. Raikitra teo ny fikasihan-tanàna ary tsy voatana fa nidaroka sy nively azy ny iray tanàna. Tsy tana noho ny daroka nisesisesy ny ainy ary maty teo noho eo ihany izy. Marihina fa fokontany iray izay anisan’ny be mpiompy sy mpamboly raha ny ao Mangalaza ary mamatsy tanàna maro eto Madagasikara. Manomboka mametraka fiaraha-mientana ny mponina ao an-toerana ankehitriny amin’ny fiarovana ny fananany izay matetika lasibatry ny mpanao halabotry ka hatramin’ny fanafihan-dahalo. Mahakasika ity raharaha ity dia efa nidina ifotony nanao ny fitsirihana ny razana ny tompon’andraikitra ary efa eny anivon’ny mpitandro filaminana ny raharaha.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre