Vous êtes ici :

Jeudi 23 Novembre 2017

ombre

Faha-70 taonan’ny raharaha 1947

Mivonona  « hankalaza » amin’ny fomba manetriketrika ny faha-70 taonan’ny 29 marsa 1947 ny Fanjakana malagasy (Malaza 28/01/2017). Ny 29 marsa 1947 anefa dia faharesena goavanan’ny Tia tanindrazana Malagasy ary fiantombohan’ny famonoana mitambabe (génocide) nataon’ny Fanjakana kolonialy  frantsay teto Madagasikara. Leo sy tofoka, tsy nahazaka intsony ny antsojay sy ny asa fanandevozana (indigénat, Smotig…) nampiharina taminy ny ankamaroan’ny Malagasy, ka nivonona hanohitra sy handroaka ny mpanjanatany. Efa maro no nihetsika nanerana ny faritra samihafa teto Madagasikara ny taona 1946

 

Niredareda ny afon’ny fitiavan-tanindrazana tao am-pon’ny Malagasy.

Nandrafitra tolo-dalàna ho famerenana ny fahaleovantena ny Mdrm, nampitondrainy ireo solombavambahoaka (députés)  hatolotra ny antenimieram-pirenena frantsay  (palais Bourbon) ; ny lalàna demokratika no nosafidin’ny Mdrm mba hisorohana ny mety  hisian’ny rà mandriaka vokatry ny firosoana amin’ny tolona mitam-piadiana. Nankasitrahan’ny vahoaka malagasy izany safidy izany. Nahazoan’ny Mdrm vato maherin’ny 80% hatrany ny fifidianana  rehetra natao nanomboka ny taona 1945. Nitsiry ny fanantenana fa ho azo sy hiverina indray ilay fahaleovantena.

Natahotra noho izany ny Fanjakana frantsay fa mety ho very ilay zanatany mamokatra harena ka nikaroka ny hevitra sy ny fomba rehetra hamonoana an-karanany izany fitiavan-tanindrazana izany.  «Abattre le Mdrm par tous les moyens »  hoy ny minisitra frantsay miandraikitra ny zanatany,  Marius Moutet.

 

Napoakan’ny Fanjakana kolonialy frantsay, ny 29 marsa 1947 mba hamongorana ny fitiavan-tanindrazana tao am-pon’ny Malagasy.

 

Ny alin’ny sabotsy  29 marsa 1947 dia niara-nipoaka ny hetsika sy korontana tany amin’ny toerana maro, tahaka ny fanapahan-dalana sy fanimban-jiro elektrika, famonoana voanjo, fanafihana tranom-panjakana indrindra tany amin’ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara : Vohipeno, Manakara, Ambila, Sahasinaka, Fort-Carnot,  Ambohimanga du Sud, Vatomandry, Mahanoro, Brickaville ; nipaka hatrany Anosibe Anala, Ambositra, Talatan’Ampano,  Ihosy sns. Ny fanafihana toby miaramila  no  nanan-danja indrindra. Famoahana  fitaovam-piadiana  ihany no  tao Antsiranana. Najanona tamin’ny fotoana farany ny an’Antananarivo, araka ny fanapahan-kevitra teo anivon’ilay fivoriana ny 28 marsa teny Tanjombato, fivoriana fanomanana ny hetsika ho an’Antananarivo notarihan’ny Lietnà Randriamaromanana, noho ny fahatsapana ny fisian’ny mpamadika. Maro ny  mpitsikilon’i Baron (lehiben’ny « sureté générale » frantsay )  tafiditra tao amin’ny tarik’i Lietnà. Ny tao Moramanga kosa no tena  naha 29 marsa 1947 ny 29 marsa 1947.

 

Nisy araka izany ny hetsika voaomana niombonana tamin’io alin’ny sabotsy 29 marsa 1947 io. Ny fitovian’ny  fotoana tamin’ireo  faritra  ireo dia midika avy hatrany ny fisian’ny fandrindràna (mouvement organisé). Tao Moramanga, araka ny voalazan’ny olona iray voasambotra, dia i Razafindrabe Samuel no niantso sy nitondra (recruté) azy ireo hitolona amin’ny anaran’ny Mdrm hanafika ny toby miaramila hanafahana an’i Madagasikara . Ny 2 sy 3 Aprily  vao nanomboka  ny fisamborana sy fanagadrana ireo mpitarika Mdrm, satria tsy nisy na dia iray aza tratra ambodiomby ny 29 marsa.

 

 

Ny fitsarana lehibe,   Jolay – oktobra 1948 (Procès des parlementaires malgaches)

04 oktobra 1948 : Toy izao manaraka izao ny didy navoakan’ny fitsarana ady heloka bevava momba ireo parlemantera sy ny namany :

Voaheloka ho faty : Ravoahangy, Raseta, Rakotovao Martin, Tata Max, Joël Sylvain, Rakotoarisaonina Augustin.

Ampiasaina anterivozona mandra-pahafaty : Rabemananjara Jacques, Rabeantoandro, Razafindralambo Thomas, Ranaivoson Jérôme Côme… .

Ampiasaina anterivozona mandritra ny 20 taona : Me Rabialahy… .

Ampiasaina anterivozona mandritra ny 10 taona : Andriantsifahaona, Ratrema… .

Ampiasaina anterivozona mandritra ny 5 taona : Raherivelo Ramamonjy, Ranarivelo… .

Voaheloka 10 taona an-tranomaizina : Ranaivo Jules… .

Hotanana ao amin’ny toerana mimanda mandritra ny 10 taona : Rakotomalala Jules… .

Henjana tokoa ny sazin’ireo mpitarika Mdrm ireo, satria voalazan’ny didim-pitsarana frantsay tamin’izany fa ny Mdrm no nanomana sy nanatanteraka ny hetsika 29 marsa 1947. Izay no « version coloniale ».

 

 

Tsy ny Mdrm no nanapoaka ny tabataban’ny 29 marsa 1947.

Ireo tompon’andraikitra  rehetra tao amin’ny Mdrm dia nanambara teo amin’ny fitsarana fa tsy izy ireo (Mdrm) no nanao ny hetsika 29 marsa 1947 ary niezaka nisakana mihitsy io fihantsiana  io (provocation) aza  ry zareo.

Ny ankamaroan’ny mpitarika Mdrm dia efa voagadra talohan’ny 29 marsa 1947. Ny sasany kosa, ireo mbola tsy voagadra, dia efa tonga teto Antananarivo hanatrika ilay zaikabe nokasaina hatao ny 07-14 Aprily.

I maître Stibbe mpisolovavan’ny Mdrm tamin’izany dia nilaza fa « affaire Dreyfus à l’échelle d’un peuple »  no nataon’ny Fanjakana frantsay taty Madagasikara tamin’ny alalan’iny fitsarana iny. Izany hoe fitsarana feno lainga sahala amin’ilay fitsarana an’i Dreyfus tany Frantsa.

Maro koa ireo avarapianarana liam-pivoarana frantsay

« intellectuels progressistes » nanameloka ny didim-pitsarana navoaka teto Antananarivo.

Maro amin’izao fotoana izao ireo olona milaza fa Tsy ny Mdrm velively no tomponantoka tamin’ny tabataban’ny 29 marsa 1947 :

Ny mpampianatra tantara to-teny eny amn’iny oniversite, Lucille Rabearimanana, izay nandalina manokana ny tantaran’ny 29 marsa 1947  dia nilaza fa tsy ny mpitarika (dirigeants)  ny Mdrm mihitsy  no nanapoaka ny 29 marsa 1947.

Ny fikambanan’ny taranaky ny Mdrm  .

Ny jeneraly Ramakavelo2.

I Mompera Rémi Ralibera2  izay zanaka Padesm ary mpahay tantara.

Ny Otrikafo2.

 

Olona marobe na eto Madagasikara na any Frantsa no samy milaza fa tsy ny mpitarika (dirigeants) Mdrm no nanapoaka ny 29 marsa 1947. Izy ireo anefa no voaheloka ho faty  sy hanao asa anterivozona

 

Ny tsy maintsy ikaroham-baliny izany izao dia ny hoe : iza marina no nanapoaka iny tabataba tamin’ny 29 marsa 1947 iny ? Ny antony dia tsotra : Nisy ilay tabataba, Koa iza no nanapoaka azy raha tsy ny Mdrm ?

Amin’ny endri-javatra toy  ireny dia tsy maintsy hadihadiana ny hoe : « iza no rafitra manana sampana miely patrana manerana ny nosy » ka afaka  mampita toromarika na baiko ao anatin’ny fotoana voatondro ?

 

Ny fitondram-panjakana kolonialy frantsay aloha no rafitra voalohany. Ny Mdrm no rafitra faharoa. Ny fiangonana katolika no fahatelo. Tsy ny fiangonana katolika velively no nanentana sy nampita ny toromarika tamin’iny raharaha iny. Tsy azo eritreretina akory izany.

 

Ny Mdrm dia efa voasoritra ery aloha fa eken’ny rehetra (mpandinika sy ny mpandalina) fa tsy  tompon’antoka tamin’ iny raharaha iny. Izany akory tsy milaza fa tsy nihetsika mihitsy ireo mpitarika ny Mdrm. Nihetsika izy fa tsy ny alin’ny 29 marsa 1947 akory ; Ry i Monja Jaona dia efa nihetsika tany Manakara ny taona 1946. Efa tany am-ponja anefa izy tamin’io 29 marsa io. Nihetsika koa ny teo Sabotsy Namehana tamin’ny 22 jona 1946 sns… .

 

Tsy misy afa-tsy ny fanjakana kôlônialy frantsay sisa izany no afaka nanapoaka iny 29 marsa 1947 iny.

 

Isan’ny azo raisina ho porofo manamarina ny maha-tetika maloton’ny fitondram-panjakana frantsay an’iny raharaha 1947 iny ny fijoroana vavolombelona nataon’ny  « lieutenant »  Remondière, manam-boninahitra frantsay tao amin’ny toby miaramilan’ i Moramanga (marsa 1946 – jolay 1947) sy ny rapport-ny « général »

Casseville3 , izay  nitantara ny zava-niseho tao amin’ny toby  tamin’izany. Nolazainy fa nisy ny firaisana tsikombakomba avy tao anatin’ny toby miaramila nanamorana ny fidiran’ny « mpikomy », anisan’izany ny fiara miaramila nisy nanao « sabotage ». Ny fihetsiky ny « administrateur civil » izay tsy nilaza ny marina tamin’ny lehiben’ny toby miaramila « comandant »  Perrier, momba ny tabataba mety hitranga ny alin’ny 29 marsa, dia milaza fa  nataon’ny

« administration civile » frantsay (Baron), izay hahatafiditra ny

« mpikomy » tao amin’ny toby tao Moramanga. Ny fanafihana ny toby tao Moramanga anefa no tena fototry ny fiampangana sy fanamelohana  an-dry  Ravoahangy sy ny Mdrm.

Misy milaza koa fa ireo fikambanana miafina « organisations secrètes » Jina sy Panama izay nanana tanjona hitaky ny fiverenan’ny fahaleovantena tamin’ny alalan’ny basy aman-defona no tompon’andraikitra tamin’ny raharaha 29 marsa 1947. Araka ny filazan’i J. Tronchon ao amin’ny bokiny dia Ravelonahina Edmond sy Razafindrabe Samuel (samy mpitarika ambony tao amin’ny Jina) no nanapaka io daty 29 marsa io. Fantatra fa izy roa lahy ireo dia samy mpitsikilon’i Frantsay. Fitaovana teo am-pelatanan’i Baron fotsiny ihany izany izy ireo hahazoana manameloka sy manapotika ny Mdrm. Na dia maro aza ny tena tia tanindrazana tao anatin’ireo fikambanana miafina ireo, dia iaraha-mahalala ary fantatry ny rehetra tamin’izany fa marobe ny mpitsikilon’i Baron tafatsofoka tao aminy 4 .

 

Misy koa no milaza fa ny mpikambana tsotra Mdrm no nihetsika tamin’io 29 marsa io. Marina izany,  satria ny anaran-dRavoahangy sy Raseta ary ny Mdrm no nentin’ny olon’ny Jina sy ny Panama nanentana ny vahoaka hihetsika3. Maro noho izany no nanoina ny antso ary lasa niditra anaty ala mihitsy taty aoriana. Antony roa lehibe no nahatonga izany :

Voafitaka ireo tia tanindrazana marobe mpomba ny Mdrm ka niroso ankitsim-po.

Mafy loatra ny famaizana nafitsoky ny fitondrana kôlônialy, ka nahavoatery ny maro hitady fialofana tany anaty ala. Ireo olon-tsotra tia tanindrazana marobe mpomba ny Mdrm izany no voafitaka ka nanaraka ireo mpihantsy « provocateurs » voakaraman’ny « colons » sy Baron.

 

Tetika maloton’ny mpanjanatany frantsay ny raharaha 29 marsa 1947 mba hahazoany manamarina ny fandripahany ny vahoaka malagasy aman’ny hetsiny. Fandringanam-bahoaka mitambabe (génocide) no nataon’ny Fanjakana kôlônialy taty Madagasikara tamin’ireny fotoana ireny.

 

Ny fanomanan’ny Frantsay ny 29 marsa 1947

 

Efa ela no nanomanan’ny Fanjakana kôlônialy Frantsay io daty ny 29 marsa 1947 io.

Araka ny filazan’i  J Tronchon dia oktobra 1946  no efa nanapaka io daty io   Ravelonahina Edmond sy Razafindrabe Samuel

Nampiana sy nampidirana mpitsikilo maro ireo fikambanana miafina Jina sy Panama. Nisy tamin’ireo mpikambana no nandray vola isan-kerinandro teny amin’ny biraon’i Baron tao amin’ny « Sûreté Générale » araka ny filazan’ny « inspecteur de police » malagasy niasa tao tamin’izany fotoana izany.

 

Ny 09 oktobra 1946, iray volana talohan’ny fifidianana solombavambahoaka no nandefa ilay telegrama tamin’i Marcel de Coppet governora jeneraly  i Marius Moutet : « Il faut abattre le Mdrm par tous les moyens. » : « Tsy maintsy potehina amin’ny fomba rehetra ny Mdrm »

Ny 25 oktobra sy 09 novambra 1946 no nozaraina ho « provinces » enina i Madagasikara. Tetika hampisaraham-bazana ny samy Malagasy (merina sy tanindrana) ary indrindra hoenti-manakana ny fihanaky ny foto-kevitry ny Mdrm manerana ny nosy manontolo, foto-kevitra izay nosokajian’ny fitondrana kolonialy  frantsay ho  « Hova » na Merina fotsiny ihany.

 

Fanomanana ara-tafika sy polisy

Nanomboka tamin’ny 1946 dia napetrany tao Mahajanga ny 1er bataillon de Tirailleurs Somalie.

Nalefa hanampy tafika  taty Madagasikara ny bataillon des tirailleurs Sénégalais ny 16 febroary 1947.

Ny 16 febroary 1947 iray volana mahery talohan’ny nipoahan’ny nolazaina hoe fikomiana no niforona ny Btsr 1 izay nomanina manokana halefa aty Madagasikara.

Nampitomboina be ny isan’ny  polisy senegaly sy komorianina nampiasain’ny « Sûreté Générale » nandritra ny taona 1946.

 

Ny tsy azo  ihodivirana, araka izany, dia ny famatorana andraikitra ny fitondram-panjakana kolonialy frantsay  ho tomponantoka tamin’ny fanapoahana ny 29 marsa 1947.

Araka izany dia ny mpanjanatany no nanao io 29 marsa 1947 io. kanefa,  navadiny hoe : ny Mdrm sy ny tia tanindrazana  malagasy no nanao azy « version coloniale ». Mba hanamarinana ny fandripaham-bahoaka  nataony hiarovana ny tombontsoany eto Madagasikara. Izay no lasa fomba fijerin’ny mpitondra Fanjakana Malagasy izay mbola mila ranorano amin’i Lafrantsa.  Ny fitondrana malagasy rehetra taty aoriana dia mbola nivoy io fomba fijery io daholo. Ireo avarapianarana koa tsy nanitsy ny tantara, fa nanaraka ambokony fotsiny ihany.

 

Vokatr’izany : Io fomba fijery ny zava-nisy  napetraky ny mpanjanaka  io  « version coloniale »  no nampianarina tany ampianarana sy nampanjakaina teto Madagasikara  tamin’ny alalan’ny haino aman-jery (idéologie dominante). Io no  mitoetra ao an-tsain’ny ankamaroan’ny olona, indrindra ny vahoaka malagasy hatramin’izao. Nanjary nankalazaina am-pifaliana sy am-piravoravoana ny fitsingerenan’io andro fahafatesana sy faharesena io. Ny tombotsoan’i Lafrantsa no narovan’ireo mpitondra Fanjakana nifanesy tamin’izany. Ary mbola harovan’ity fitondra ankehitriny ity ihany koa.

 

Olana eo amin’ny fifandraisan’i Madagasikara sy i Lafrantsa  mandrak’izao ny raharaha 29 marsa 1947. Saika hanazava ny filoha frantsay J Chirac tamin’ny 2005 fa nosakanan-dRavalomanana, satria mbola tsy teraka, hono, izy tamin’izany.

takina ny fiaiken’i Frantsa ho tomponantoka tamin’ny fanapoahana  ny 29 marsa 1947.

takina ny fiaiken ‘i Frantsa ny fandringanam-bahoaka mitambabe (génocide) nataony nanomboka ny 29 marsa 1947.

Andraikitry ny fitondram-panjakana malagasy kosa, na ny ankehitriny na ny ho avy ny manokatra fifampidinihana amin’i Frantsa mba hirosoany amin’izanyi ..

 

NY OTRIKAFO – RAJAONAH  zanaka  Mdrm

 

1 In la révolte des Sagaies ; Archives Services historique de l’armée de terre Vincennes. P 92

2 Fanambarana iombonana. Pièce jointe.

3 In la révolte des Sagaies ; Archives Services historique de l’armée de terre Vincennes. P 79-95. 4 Colloque international sur le cinquantenaire de l’insurrection de 1947, (23-27 septembre 1997). M et Mme RANDRIANARIVELO. « Contribution à l’analyse des évènements de 1947 ». P 12-14.

i Mbola vary mangatsika eo amin’ny fifandraisan’i Madagasikara sy Lafirantsy ny fitazomana ireo nosy malagasy manodidina  mbola  zanatany frantsay.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre