Vous êtes ici :

Mardi 19 Mars 2024

ombre

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho mpanao gazety avokoa ny vahoaka manontolo ary mampiasa ny fitaovan-tserasera maimaimpoana mba handefasana vaovao. Tsy voafehy anefa izany ka lasa ny tsaho sy ny honohono no betsaka. Misy sokajin’olona tena mahavita mamoron-dainga mihitsy na tranga tany ivelany no avadika sy lazaina fa teto Madagasikara. Ny tena mahagaga dia maro ireo olona andairan’ireny tsaho sy atsanga tsy aman’orana rehetra ireny. Anisan’izany, ohatra, ny filazana fa misy akora mahafaty ny karazan-tsakafo sasany amidy eny amin’ny mpivarotra. Misy koa milaza fa mankarary ny savony sns. Tsy azon’ireo “mpitatasika” sy mpanely tsaho anefa fa misy fiantraikany ratsy dia ratsy amin’ny fiainam-bahoaka ireny fanelezana tsaho ireny. Efa maro ireo karazan’olona nitondra faisana noho ny lainga sy vaovao tsy marina avoakan’ireo te ho mpanao gazety. Anisan’ny loza tsy roa aman-tany aterak’ireo misalovana ny asan’ny mpampahalala vaovao ity resaka fitsaram-bahoaka ity. Misy zava-mitranga any ambadika any tonga dia alefa amin’ny tambajotran-tserasera sady hitarina mba hanairana ny mpamaky. Aorian’izay dia misarongatra ireo entanin’ny fihetseham-po ka mifanentana samy manonona izay sazy faran’izay henjana tokony hatao amin’ilay soketaina ho nahavanon-doza. Misy mihitsy ny mamporisika sy manentana ny rehetra mba hiroso amin’ny fitsaram-bahoaka.

Tsy mahagaga noho izany raha maro ireo olon-tsotra no te hanao ny asan’ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana. Tsy mionona amin’ny fampilazàna ny polisy sy zandary mantsy izao ny ankamaroan’ny vahoaka fa avy hatrany dia misambotra izay heveriny ho olon-dratsy ka resiny. Tsy manatrika izany eny amin’ny mpitandro filaminana ihany koa fa avy hatrany dia misalovana ny andraikitry ny fitsarana. Misy sokajin’olona lian-dra avy hatrany dia manapa-kevitra fa hovonoina ho faty tsy mandalo fitsarana akory ireo heverina ho meloka na misy porofo na tsy misy. Zava-doza io tranga iray io satria efa maro ihany ireo tsy manan-tsiny matimaty fahatany noho ny fitsaram-bahoaka. Hatramin’ny mpitandro filaminana polisy sy zandary izay manao ny asany aza dia efa nisy ireo namoy ny ainy novonoin’ny fokonolona. Ny tena mahagaga dia misy tompon’andraikitra sy olon-dehibe eny an-tanàna tena mankasitraka sy mamporisika ny fitsaram-bahoaka izay efa iaraha-mahalala fa heloka bevava.

Na ny fitantanana ny raharaham-pirenena aza dia efa marobe ireo hita fa te hisalovana ny andraikitry ny hafa. Io antony io no mahatonga ny ankamaroan’ny mpanao politika mitaky ny fanovàna governemanta. An-jatony maro ireo mpanao politika no te haka ny toeran’ny minisitra amin’izao fotoana izao ary manao ny fomba rehetra hanerena ankolaka ny filoha mba handrava ny governemanta. Izay ihany mantsy no fomba mahomby indrindra hahafahan’ireo tia seza maka toerana eo anivon’ny fitondram-panjakana. Ny antoko mpanohitra izay tsy te hiditra ao amin’ny fitondrana kosa dia manao ny fomba rehetra handabohana ny Fanjakana mijoro amin’izao fotoana izao. Fitsiriritana seza sy fitadiavan-toerana avokoa. Ny fandrodanana ny fitondrana anefa no fomba hahafahana misalovana ny andraikitr’ireo manam-pahefana ankehitriny.

Tsy handroso mihitsy ity firenena ity raha samy te hitsabaka amin’ny asa aman-draharahan’ny hafa ny tsirairay. Ny eo am-bilia tsy lany nefa ny any am-bilany takarina. Io no tena hahafahana manintona ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Mifanenjika ny hanao ny asan’ny hafa ny rehetra nefa vao mainka izany manimba zavatra. Mila miverina amin’ny fanajana ny andraikitra tandrify azy ny Malagasy fa raha mitohy ny zava-misy amin’izao fotoana izao dia hihemotra lava eto ity firenena ity.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre