Vous êtes ici :

Vendredi 19 Avril 2024

ombre

Ambalabako – Manao be midina an-tanàna ny dahalo

Tsy matahotra mpitandro filaminana intsony ny dahalo amin’izao fotoana izay ary efa tena manafika an-tampon-tanàna mihitsy. Manjaka tanteraka ny tsy fandriam-pahalemana ary tanàna iray anisan’ny lasibatr’ireo tsy mataho-tody matetika ny ao Ambalabako- Ambatondrazaka izay toerana ahitana ny tobim-piantsonan’ny fiarakodia. Ny faran’ny herinandro teo dia nanao be midina tany an-toerana ireo dahalo haka ny anjarany ary omby miisa 12 be izao no fantatra fa lasan’izy ireo. Tsy misy sahy nanaraka tamin’izany satria mitondra sabatra sy basy mahery vaika avokoa ireo dahalo efa ho am-polony maro nanafika ny tanàna. Rehefa tsy naharaka ny hafainganam-pandehan’ny namany ny zanak’omby iray dia najanon’ireo dahalo teo amin’ny toerana iray. Io omby tokana io no hany mba tafaverina tany amin’ny tompony. Mbola ao anatin’ny fikarohana kosa ny tompon’omby sy ny fokonolona amin’izao fotoana izao ary efa eny ampelantanan’ny manam-pahefana ny raharaha. Manao ny ataony tanteraka ny tsy fandriam-pahalemana tato ho ato ao anatin’ny faritra Alaotra Mangoro ka mampikaikaika fatratra ny mponina.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre