Vous êtes ici :

Jeudi 18 Avril 2024

ombre

Antsirabe Renivohitra – Nandray ny tambin-karama ireo Sefo Fokontany

Mba mpiasa tena miaritra tokoa raha ny sefo fokontany satria tsy mba voafaritra mazava toy ny an’ny mpiasa rehetra ny fotoana andraisana ny valin-katsembohana avy amin’ny kaominina fa izay fotoana amoahan’ny tompon’andraikitra izany. Tsy karama mahavelona fa mbola antsoina amin’ny hoe tambin-karama ihany koa.  Ho an’ny ao amin’ny renivohitry ny faritra Vakinanaratra dia natomboka omaly alarobia 22 febroary tolakandro ny fizarana ny vola ary hotohizana isam-bolana araka ny nambaran’ny Ben’ny Tanàna Razanakolona Paul. Matetika rehefa misy ilain’ny fitondrana ny olom-pokotany izany vao avoaka ny volan’izy ireo. Rehefa antomotry ny fifidianana, ohatra, dia hain’ny mpitondra tokoa ny mahita ny vondron’olona ifotony ka manao izao fambaboana ny fon’ny vahoaka rehetra izao. Saingy araka ny loharanom-baovao dia tsy mifandray amin’izay ity hetsika nataon’ny avy ao amin’ny kaominina ity fa efa fanao’izy ireo fa nisy fiatoana kely dia izao naverina izao indray ary efa nankatoavin’ny mpanolo-tsaina ny hamerenana izany. Volan’ny kaominina madiodio no andoavana izany amin’ireo sefo fokontany. Nandritra ity fizarana tambin-karama ity moa no nanamafisan’ny Ben’ny Tanàna fa mbola izy aloha no mitantana ny tanàna hatramin’izao, manoloana ilay fampiatoana nataon’ny mpanolo-tsaina azy teo iny.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre