Vous êtes ici :

Vendredi 19 Avril 2024

ombre

Fitaterana ao Ambatondrazaka – Nampihatra ny didy vaovao ny kaominina-nitokona ny taxi-moto

Tsy faly tanteraka amin’ny tompon’andraikitry ny kaominina Ambatondrazaka renivohitra amin’izao fotoana izao ireo mpamily taxi-moto izay efa mahatratra amin’arivony ka niray hina nanao rodobe nitety ny tampon-tanàna ny alarobia 22 febroary 2017 lasa teo. Nisy tamin’izany ny fibahanana ny lalam-pirenena faha-44 ka nahatonga ireo fiarakodia nikasa ny hivoaka an’Ambatondrazaka hitohana tamin’io andro io. Antony nahatonga izany raha ny nambaran’ireo mpamily taxi-moto izay niray hina fatratra nanohitra ny nambaran’izy ireo ho tsy rariny ny fampiharan’ny avy ao anivon’ny kaominina ny didy vaovao indray izay andoavana sarany 5000 ariary ho setrin’ny fampiofanana arahina taratasy fanamarinana ahazoana miasa avy amin’ny kaominina. Mahatratra 625 ny isan’ireo taxi-moto izay nanaraka an-tsakany sy an-davany izany hoy ny Ben’ny tanànan’Ambatondrazaka etsy ankilany ary tsy maintsy noraisina izao fepetra izao mba ho fampanarahan-dalàna ireo karazam-pitaterana ireo, izay efa marobe no ara-dalaàna any an-toerana. Raha ny zava-nisy dia betsaka ireo moto naorin’ny avy ao amin’ny kaominina nampian’ny polisim-pirenena ny maraina ka niteraka io filaharam-be io ny tolakandro. Tamin’io fotoana io dia sahirana tanteraka ireo mpandeha izay efa zatra taxi-moto satria tsy nahitana izany na dia iray aza teny rehetra teny. Marihina fa mitana ny lohalaharana eo amin’ny sehatry ny fitaterana ao Ambatondrazaka ny fitaterana amin’ny moto izay ambaran’ny maro ho vahaolana haingana ahafahana mivezivezy ary afaka mandeha hatrany amin’ny toerana tsy tongan’ny fiara.

Ange R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre