Vous êtes ici :

Mardi 19 Mars 2024

ombre

Fanafihana tao Antanety – Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky. 

Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny distrikan’Ambohidratrimo iny. Tsy vao ela akory ny gazetintsika Madagascar matin no namoaka vaovao momba ilay fanafihana mahatsiravina tao Mahitsy izay nahafatesana tovolahy sy ny ray aman-dreniny. Notifirin’ny jiolahy teo amin’ny  lohany ity tovolahy ity ary nokapain’ireo tsy mataho-tody tamin’ny famaky avy eo ny kitapo nifonosany. Ny talata lasa teo dia nisehoana trangam-panafihana hafa indray tao amin’io distrika io ary tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Antanety ao anatin’ny kaominina Ampanotokana. Jiolahy miisa dimy miravaka antsy lava lela sy famaky no nanafika tokantrano iray. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana dia rehefa tonga ny tamin’ny 12 ora alina dia nitsaitsaika nisaoty tamboho ireto jiolahy ireto ary avy hatrany dia namoha moramora ny varavaram-be an’ilay trano. Tsy nisy naheno anefa ny nidiran’izy ireo tao anatin’ilay trano ary nilaza ireo tompon-trano fa mety nampiasa fanafody mihitsy izy ireo satria toa natory maty avokoa ny iray trano nandritra ny nitsofohan-dry zalahy tao. Rehefa tafiditra ireto mpamaky trano ireto izay vao nikoropaka ny iray trano saingy tsy nisy sahy nikofoka rehefa nahita ny fitaovam-piadiana maranitra notazomin’izy ireo. Nisava ny trano avy hatrany ry zalahy ary nanery ny renim-pianakaviana mba hanoro ny fisian’ny vola. Tsy nanaiky lembenana tamin’ny fandrahonana nataon’ireo jiolahy anefa ity farany ka avy hatrany dia voafira tamin’ny famaky be ny lohany. Ankoatra ireo entana lafo vidy toy ny fahitalavitra, finday dia vola dimy alina sy roa hetsy Ariary no lasan’ireo jiolahy tamin’izany. Ora roa taty aoriana voa nahare ny vaovao ny zandary ka nidina avy hatrany tany an-toerana. Ireo olon-dratsy anefa rifatra nitsoaka rehefa nahazo izay nilainy rehetra.

 

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre