Vous êtes ici :

Vendredi 19 Avril 2024

ombre

Vono olona – 20 taona asa anterivozona

Tapaka ny lohany, nipitika ihany koa ny sofiny havia, maty teo no ho eo ilay lehilahy notombohana ny angady. Mpiasa mpiambina tanàna no nahavanon-doza. Nivoaka omaly ny didim-pitsarana ka voasazy 20 taona asa an-terivozona ity farany.
Tsy nanafina ny zava-bitany ity lehilahy iray 55 taona fantatra amin’ny anarana hoe Grégoire. Avy hatrany mantsy dia niantso ny rahalahin’ilay novonoiny izy rehefa vitany izany. Araka ny voalaza dia nokapain’i Grégoire tamin’ny angady ny lohan’ny lehilahy iray, izay tsy iza fa rahalahin’ilay mpampiasa azy ihany. Hoditra kely sisa no nitana ny lohany tsy nipitika. Tsy vitan’izany ihany anefa fa mbola notombohany tamin’io angady io ihany koa ny sofin’ity novonoiny. Rehefa vita izay dia nanan-kevitra ny hanafina ny razana ihany izy, saingy tsy izay aloha no nataony. Tsy fantatra izay nandalo tao an-tsainy fa avy hatrany dia ny rahalahin’ny maty no nantsoiny voalohany. Ity farany ihany koa mantsy no voalaza fa mpampiasa azy. “Tongava aty an-trano fa maty novonoiko ato ny rahalahinao”, io no nambarany tamin’izany. Taitra araka izany ilay mpampiasa azy, ary avy hatrany dia nampandre ny pôlisy misahana ny heloka bevava. Rehefa tonga tany dia tena nisy tokoa ny famonoana. Nentin’ny pôlisy avy hatrany moa ity nahavan-doza, ary natao famotorana teny amin’ny paositra. Niaiky ny heloka vitany i Grégoire, na teo anatrehan’ireo pôlisy mpanao famotorana na nanoloana ny mpitsara mpanao famotorana. Taorian’izay dia efa notanana vonjy maika teny amin’ny fonjan’i Tsiafahy ny tenany niandry ny fotoa-mpitsarana azy.

20 taona asa anterivozona

Omaly no notanterahana tetsy amin’ny tribonaly Anosy ny fitsarana ity voampanga ho namono nahafaty olona ity. Nivoaka avy hatrany ny didy rehefa avy nohenoina ny andaniny mpitory, sy ny ankilany, dia ilay voampanga izany. Roapolo taona asa an-terivozona no azony tamin’izany. Mbola narahana lamandy mitentina 20 tapitrisa ariary ihany koa izany. Araka ny efa voalaza moa dia mpiandry tanàna na irony “gardien” irony no nakan’ilay lehilahy mpampiasa azy. Tsy hiandry ny trano fonenan’ity farany anefa no nifanarahan’izy ireo tamin’izany fa hiambina sy hikarakara ny tranon-drazany eny Ambohitrimiadanandriana, any amin’ny Distrikan’Avaradrano. Amin’ny maha tranon-drazana azy izay moa dia midika fa lova nolovain’ity mpampiasa ity avy tamin’ny ray aman-dreniny ilay trano. Mazava ihany koa fa tsy azy irery izany fa iraisany amin’ireo iraitampo aminy. Resaka fanirahana hanadio ny tanàna moa no niandohan’ny ady teo amin’ny roa tonta. Nisy fotoana mantsy rehefa tonga tany amin’io trano io ny rahalahin’ny mpampiasa dia naniraka ity nokaramaina mba hanadio ny tanàna, ary nilaza ho tsy afa-po tamin’ny asa nataon’ilay mpiambina. “Fa angaha moa ialahy no nametraka ahy teto?”, hoy ilay mpiambina sady niaraka tamin’ny fandavana ho valin’ilay baiko. Nanomboka teo dia efa niharatsy ny fifandraisan’izy ireo, ka izao niafara tamin’ny famonoana izao. Vono olona feno habibiana, io no niampangana an’i Grégoire teo anivon’ny fitsarana omaly, ary nandefasana azy eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy. Ny faha-10 Febroary taona 2012 moa no nisehoan’ny famonoana.

N. F.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre