Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Moramanga – Namono olona indray ny “secte”

Zazavavy kely 6 taona no maty rehefa tsy navelan’ny lehilahy iray izay mitonona ho apôstôly nentina tany amin’ny dokotera. Nanaiky io fanapahan-kevitra io ihany koa moa ny rain’ilay zaza. Ny Alatsinainy teo no voalaza fa nodimandry ity zazavavy kely ity. Tao Moramanga no nisehoan’ny tantara.
“Avy amin’ny devoly ny dokotera”, izay no teny nentin’ity mitonona ho apôstôly, milaza fa lehiben’ny dahalo, lehiben’ny mpamosavy, ary lehiben’ny mpanao ody ratsy niova fo ity nandresy lahatra ny rain’ilay zaza. Araka izany dia tsy navelany nentina notsaboina tany amin’ny dokotera ilay ankizivavy kely. Araka ny voalazan’ny loharanom-baovao, izay tsy iza fa havan’ny maty ihany, dia mbola io lehilahy mitonona ho apôstôly io ihany koa no nanambara fa ny fitsaboana tena eny amin’ireny mpitsabo ireny dia tsy mandeha araka ny sitrapon’Andriamanitra. Mino, ary manaraka tanteraka an’ity^mitonon-tena ho apôstôly ity moa ny rain’ilay zaza ka dia nandà ny itondrana ilay menaky ny ainy tany amin’ny dokotera.

Tsy nomena sakafo

“Andriamanitra no manasitrana, noho izany dia mila mifady hanina ilay zaza marary raha te hahazo famonjena”, io no nambaran’ilay mitonona ho apôstôly. Rano no hany nomena azy, fa hoe io fifandian-kanina io no ahazoan’ilay zaza ny famonjena. Araka izany dia efa sady narary ilay zaza, mbola nampifadiana hanina ihany koa. Nanoloana io tranga io, dia tsy afaka nanao na inona na inona ireo manodidina ity zaza, na ny mpiara-monina satria dia ny rain’ilay zaza mihitsy no nanaiky sy nankasitraka io zava-nitranga io.

To teny

To teny eo anatrehan’ilay raim-pianakaviana ity milaza azy ho apôstôly ity. Hany ka na dia nahafaty ny menaky ny ainy aza dia tsy nampaninona azy izany. Aminy dia marina avokoa ny voalazan’ity apôstôly ity, ka dia narahany an-tsakany sy an-davany izay nolazainy. Voalaza mantsy fa na dia ny asa fiveloman’ity raim-pianakaviana ity aza dia nafoiny noho ny fanompoana ny teny aloakan’ny vavan’ity olona arahany ity. Tsy ilaina hono ny miasa sy mitady vola hivelomana sy amelomana ny ankohonana, satria dia velomin’i Jesosy eny foana toa ireny vorona tsy mba misasatra nefa velona reny foana. Niala tamin’ny asany noho izany ilay raim-pianakaviana. Toa izany ihany koa ny resaka fampianaran-janaka. Tsy ilaina izany, hoy ingahy apôstôly fa homen’Andriamanitra fahalalana eny foana, ka avy indray ity raim-pianakaviana nanala ny zanany tany an-tsekoly. Roa vavy moa ny zanak’ity lehilahy ity, 8 taona no zokin’ity nodimandry ity, izay efa tsy mandeha an-tsekoly intsony ihany koa. Alahelo sy hatezerana no nasetrin’ireo mponina ny zava-nitranga, niantso sy nanaitra ny sain’ireo mpitondra fanjakana mihitsy moa izy ireo mba handray andraikitra manoloana izao trangan-javatra izao.

Nangonin’i N. F.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre