Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Vaky fasana tany Mananjary – Taolam-balona razana 80 no tratra

Efa tena mahavalalanina ny mponina ao Mananjary ity resaka vaky fasana ity. Tsy voa in-droa na in-telo fa efa imbetsaka ny trangana vaky fasana re tany an-toerana. Nisy ihany anefa ny ezaka nataon’ireo mponina ireo amin’ny fanangonam-baovao, saingy tsy maintsy ilàzan’izy ireo fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana kosa ny tohiny. Io indrindra no natao ka nahafahana nahatratra taolam-paty efa ho valo gony, tao amin’ny tanàna iray atao hoe Tanambao-Besakay, 73 km miala ny tananànan’I Mananjary, ny faha-3 Jolay lasa teo. Niara-nientana tamin’ny mpitandro filaminana ny mponina ka nanondro ny teorana fa nanafenana ireo taolam-paty very ireo. Nisy ny fidinana natao ka tratra tokoa ireto taolana ireto. Ity fahatratrarana ity dia isan’ny nanamafy sy manamarina fa tena maro tokoa ny tranga vaky fasana any an-toerana satria dia taolana teo amin’ny valo gony izay notombanana ho avy tamin’ny razana 80 isa teo ho eo ireto tratra ireto. Olona telo ihany koa no efa nosamborina, voarohirohy amin’ity resaka ity, ary efa naiditra am-ponja vonjimaika. Araka ny fantatra dia mbola misy olona 4 hafa ihany koa mbola karohina. Hatramin’izao aloha dia tsy mbola fantatra mazava ny ilana sy ny anaovana itony taolam-paty itony. Ny hany fantatra dia matoa misy ny mpamaky fasana dia misy ihany koa izany ireo izay mividy ny taolana. Raha ny mahakasika ity fahatratrarana ity manokana dia nilaza ireo olona telo voasambotra ireo nandritra ny famotorana natao azy ireo fa misy olona mandray ny taolana. Manohy ny famotorana mikasika io indrindra ny tompon’andraikitra amin’izany.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre