Vous êtes ici :

Jeudi 18 Avril 2024

ombre

Vono olona – Polisy iray sy vehivavy roa maty

Mahazo laka ny asa fanolanana sy ny famonoana olona ao an-tampon-tananan’i Toamasina. Polisy iray sy vehivavy miisa roa no hita faty tany an-toerana ary voamarina fa nisy namono izy ireo. Vehivavy iray 32 taona izay mpampanofa vatana no hita faty tsy lavitra ny trano fonenany ny alin’ny zoma 26 jona hifoha 27 jona lasa teo tao Andranomadio 11/14. Handeha hamonjy fodiana izy raha niharan’ny hetraketraka izao. Tamin’ny fizahana nataon’ny mpitsabo dia fantatra fa naolana ary novonoina ity vehivavy ity. Vehivavy iray hafa 20 taona any ho any ihany koa no nisy namono tamin’ny fomba mahatsiravina ny alin’ny 25 jona lasa iny tao Ambalamanasy izay tsy lavitra ny seranam-piaramanidina. Raha ny loharanom-baovao voaray dia avy namonjy fitokanan-trano io tovovavy nisy namono io. Voamarina ihany koa fa voaolana. Polisy iray efa tsy hita nandritra ny telo andro no hita faty tao Ivoloina ny andron’ny 26 jona. Tamin’ny fizahana nataon’ny dokotera dia fantatra fa nisy namono ity mpitandro filaminana ity. Nahitana ratra be dia be ny vatany tamin’ny fizahana natao taminy. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre