Vous êtes ici :

Samedi 20 Avril 2024

ombre

Politikan’ny akamakama !

Tsy azo kitihina ary tsy azo hozongozonina fa mafy mpiaro. Io no hanasokajiana ireo olona ambony eo anivon’ny antoko HVM, no sady ihany koa akaiky ny filoha ary mitana andraikitra goavana eto amin’ny firenena. Maro ihany izay fitakiana sy antso ho fanoloana ireo akama akaikin’ny filoha saingy niala maina ny ankamaroany. Anisan’izany ny mpiasan’ny minisitera samihafa, ny teo anivon’ny Air Madagascar, ny mpanao gazety fa tsy nisy valiny. Vao maika aza nahazo vahana sy nanamafy ny sezany ireo nangatahina esorina sy ho soloina. Mirehareha fatratra sy manao fanaparam-pahefana anefa ireo olona sasany akaiky ny filoha ary manomboka halam-bahoaka sy mandoto ny fitondram-panjakana. Mipetraka ny fanontanian’ny maro hoe fa inona marina no antony tsy hahasahian’ny filoha mandray fanapahan-kevitra manolo ireo halam-bahoaka? Olona vitsivitsy azo isaina amin’ny ratsan-tanana no soloina dia milamina tanteraka ny ankamaroan’ny savorovoro misy eto amin’ny firenena. Vola amina-miliara Ariary isan’andro no fatiantoka ary olona an-jatony no ahiana ho very asa mikasika ny resaka Air Madagascar nefa toa tsy ahoan’ny mpitondra izany. Olona iray no sakana, satria esorina fotsiny io olona io dia omena toerana hafa dia milamina ny raharaha.

Tsara ny miziriziry amin’ny hevitra raha toa ka ahitana fahombiazana nefa kosa hadisoana ny mitompo teny fantatra amin’ny hevi-diso ka minia mikipy mba tsy hahita ny marina. Tsy misy olona tsy azo soloina hoy ny vazaha, ary aleo halan’andriana toy izay halam-bahoaka hoy ny Malagasy. Mifameno ireo fahendrena roa ireo raha oharina amin’ny zava-misy eto Madagasikara. Tsy aleon’ny filoha ve miady amin’ny namana vitsivitsy dia mamitra-pihavanana amin’ny vahoaka toy izay hanao sorona ny fahefany amin’ny krizy lavareny tsy ahitam-bahaolana?

Na inona na inona ho fanazavan’ny mpahay toe-karena eo anivon’ny fitondram-panjakana dia fatiantoka goavana ho an’i Madagasikara ity grevy eo anivon’ny Air Madagascar ity. Fanarenana sy fampiroboroboana ilay orinasa no nataon’ny fitondram-panjakana laharam-pahamehana nefa toa ny mifanohitra amin’izany no mitranga. Tsy tena olana ara-teknika sy ara-bola anefa no misy fa resaka tsy fitovian-kevitra fotsiny. Izany hoe azo alamina tsara amin’ny fifandresen-dahatra sy ny fifanajana. Tsy maintsy misy fifandeferana anefa ny fifampiresahana koa raha fitakiana ny hanolona olona iray na roa no vahaolana, inoana fa tsy hisy fiantraikany firy amin’ny ho avin’ny firenena izany. Tsy nisy ireo olona takian’ny mpiasa esorina ireo rahateo teo anivon’ny Air Madagascar hatramin’izay toa niroborobo tsara ihany ity kaompaniam-pitaterana ity.

Misy fotoana ilàna ny politikan’ny akamakama mba ahafahana mifampiaro sy hisorohana ny fitsabahan’ny mpamadika ao anaty ekipa nefa kosa rehefa tsy mahomby, sy hanaratsy endrika ny sasany tsy aleo ve esorina. Fanaon’ny tatsambo fahiny ny manipy entana any an-dranomasina rehefa tandindomin-doza mitady ho rendrika ny sambo. Mazava ho azy fa izay entana- mavesatra no tsy maintsy esorina sy alefa any anaty rano satria ny lanjan’ireny no manafaingana ny faharendrehana. Dia toy izany ihany koa ny fitantanan-draharaham-panjakana. Rehefa misy olona lasa enta-mavesatra mampitsingilahila ny fitondrana dia aleo esorina sao lasa homamiadana hifindra sy hanimba ny hafa ao anaty fitondrana. Misy karazany roa mantsy ny olona mpiara-miasa ao anaty fitantanan-draharaha. Ny voalohany dia ireo mpitondra vahaolana. Ny faharoa kosa dia ireo mpiteraka olana. Ireto farany no tena tsy maintsy esorina satria misintona ny asa fampandrosoana tsy handeha amin’ny laoniny. Mora fantatra ireo olona tokony esorina ao anaty fitantanana dia ireo halam-bahoaka sy rangory fototry ny fitakiana sy fihetsiketsehana maro niseho teto amin’ny firenena. Koa asakasaky ny filoha satria tsy misy hanery azy amin’ny fanapahan-keviny eo fa izy irery ihany no tompon’ny teny farany. Tsy azo adino anefa ilay fitenenana hoe raha maty aho matesa rahavana. Izany hoe na akama aza, rehefa fanabokana dia tsaratsara ialana sy roahina satria mety hanimba amin’ny farany.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre