Vous êtes ici :

Jeudi 28 Mars 2024

ombre

Sinema ny raharaham-pirenena

Anisan’ny tena manan-talenta ary tsy mitovy amin’ny any amin’ny firenen-kafa mihitsy raha ny mpanao politika malagasy. Vitan’izy ireo mihitsy mantsy ny milalao ny raharaham-pirenena ary mamadika izany ho toy ny tantara mitohy mpandeha amin’ny fahitalavitra mihitsy. Lasa mahaliana ny vahoaka rahateo ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena satria misy hatrany ny tsy hampoizina isan’andro izao. Azo ampitahaina amin’ny sinema ny fanaovana politika eto Madagasikara izany hoe ny fihetsiketsehana sy ny manaitaitra ary mahaliana no tena betsaka fa ny tena vokatra sy fivoarana tsy hita firy. Niainga tamin’ny fampanantenan’ny Filoha fa ho foanana ao anatin’ny volana vitsivitsy ny delestazy izany ary mbola nampiany ihany koa fa laharam-pahamehana ny fandriampahalemana sy ny kolikoly. Niandry izay ho vokatra ny vahoaka kinanjo ny mifanohitra amin’izany no nitranga. Vao maika nihasarotra ny toe-draharaha satria lasa niparitaka nanerana ny firenena iray manontolo ny fahatapahan-jiro ary nivadika biby ihany koa ireo jiolahy. Ny fanaovana kolikoly aza dia hita nibaribary hatreny anivon’ny andrim-panjakana. Toy izany mihitsy ny zava-misy amin’ireny sinema ireny. Manao fanambarana ny mpitondra fa hanao izao sy izao nefa toa ny mifanohitra amin’izany no zava-misy.

Farany teo aza dia efa filma misy mpitsongo dia sy mpitsikilo ary mpamadika mihitsy no nitranga teto amintsika. Fantatry ny fitondram-panjakana fa mitondra vola amin’ny baoritra ny solombavam-bahoaka Lanto Rakotomanga ka ireny niaraha-nahita ireny ny zava-nitranga. Izany hoe efa tafiditry ny mpitsikilo hatrany anaty fivorian’ny antoko politika mihitsy matoa fantatra fa tany amin-dramatoa solombavambahoaka ny vola. Tsy fantatra kosa hatreto hoe nankaiza marina ilay vola ary hatao inona. Ny azo antoka aloha dia hiala-maina ny antoko politika Mapar izay nilaza ho tompon’ny vola satria kely ny finoana fa haverin’ny fitondram-panjakana aminy ny 200 tapitrisa Ariary roa baoritra rehefa mazava ny toe-draharaha.

Mbola toy ny amin’ny sinema ihany koa ny zava-misy eto amin’ny fahenoana fanafihana mitam-piadiana sy fakana an-keriny ary vono olona sy herisetra isan-karazany. Efa tapitra ny sakoroka vao tonga ny mpitandro filaminana ary tsy misy voasambotra ireo jiolahy. Misy ihany koa ireo olona nosamborina fotsiny tany an-tranony fa voarohirohy ho olon-dratsy nefa tsy misy porofo mazava. Anisan’izany ohatra i Rado Rabarilala mpitondra tenin’ny sendikan’ny mpiasan’ny Air Madagascar izay nanaovana fanadihadiana sy notanana teny amin’ny borigadin’ny polisy misahana ny heloka bevava nefa avy eo toa navotsotra fotsiny indray.

Mbola toy izany ihany koa ny nanjo ireo mpanao gazety teto amin’ny Madagascar Matin izay nampanantsoina teny amin’ny zandary, avy eo nogadraina teny Antanimora ary farany dia navotsotra fotsiny. Toy ny tsy mba maharary angamba ny fiheveran’ny mpitondra izay hoe ampidirina am-ponja nefa tsy nanao heloka tandrify izany akory. Angamba heverin’izy ireo ho sinema ny raharaham-pirenena ka atao amin’izay tiana hanaovana azy. Vahoaka maherin’ny 20 tapitrisa anefa no miandrandra sy manantena ny fampandrosoana ny firenena ao anaty filaminana sy fandriampahalemana ary fifanajana.

Tsy fantatry ny mpitondra sy ny mpanao politika izany fa ny azy ireo dia ny hifampiseho hery hatrany no mahamaika azy. Efa niaraha-nahita fa niala-maina hatrany ny solombavambahoaka manoloana ireo fitoriana sesehena nalefan’izy ireo teny amin’ny Antenimieram-pirenena nefa dia izy samy izy indray no lasa miady an-trano amin’izao fotoana izao. Efa misy mihitsy ny hetsika maro entina hanonganana ny birao maharitra an’ity andrim-panjakana ity. Vao afak’omaly izao no nisy vondrona depiote nilaza fa misy ahiahy ho fanodikodinam-bola eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Mazava ho azy fa izy samy izy ihany no mifampiahiahy sy mifanenjika an-dapa ao. Tsy misy mihitsy firaisan-kina amin’ny tsara sy ho amin’ny tombontsoam-bahoaka fa ny hifanongana sy hifanenjika no mahamaika. Toy ny sinema e!

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre