Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Vehivavy voalaza nangala-jaza – Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

 Niakatra ny hatezeram-bahoaka tao an-tampon-tanan’i Ambatondrazaka ny atoandron’ny alarobia teo, tamin’ny fahitana ankizy iray teny an-tanan’ny ramatoa tsy fantatra. Avy nianatra ilay ankizy kely no tazana niaraka tamin’ity vehivavy ity tao amin’ny fokontany Andranomadio izay tsy lavitra ny Bemenaka.

Nisahotaka ny iray tanàna. Minitra vitsy dia nitangoronan’ny mponina ity vehivavy sady voadaroka. Tafatsoaka anefa izy ka raikitra ny fanenjahana azy niaraka tamin’ny tora-bato variraraka izany. Teo anelanelan’izany anefa dia nisy olona nampandre ireo mpitandro filaminana ary tonga ara-dalana teny an-toerana ireto farany. Nahatezitra ireo fokonolona anefa ny fitsabahan’ireo mpitandro filaminana izany raharaha izany ka niharan’ny tora-bato. Polisy iray no voalaza fa naratra nandritra ny fifanjevona tany an-toerana.

Ilay ramatoa voalaza nangala-jaza kosa niafina tao amin’ny tranon’olona izay tsy lavitra teo.  Fotoana fohy taorian’ilay fisavorovorona dia nentin’ilay tompon-trano teny amin’ny mpitandro filaminana ilay ramatoa. Tamin’ny famotorana natao azy dia nandà io fiampagana azy io ilay ramatoa. Ny feo mandeha anefa milaza fa saika haka an-keriny ilay zaza izy.  Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana. Ilay ramatoa kosa notazomina mandra-pahitana ny tena marina amin’ity raharaha ity.

Laurena Nany

 

 

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre