Vous êtes ici :

Samedi 20 Avril 2024

ombre

Menatra amin’ny toetra ratsiny !

Solombavambahoaka am-polony maro no nitaky ny hanapahana ny fandefasana mivantana ny fanaovana tsangan-tanana mikasika ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta omaly teny amin’ny lapan’ny Antenimieram-pirenena. Nankasitrahan’ireo depiote ihany tany am-boalohany ny hahalalan’ny vahoaka ny zava-misy ao an-dapa saingy niaha-niakatra ny feo ary niseho ny toetra ratsy dia nosivanin’izy ireo izany.

Tena nahafaly ny mpijery fahita lavitra tokoa aloha ny nahita ireo vehivavy solombavambahoaka nifanasa vangy satria toy ireny manaraka sarimihetsika ireny. Dia tena nitovy tanteraka amin’ireo vehivavy mpivarotra anana mifamaly eny an-tsena ny fahitana azy ireo. Mivazavaza miampy teny tsy voahevitra ary mbola arahina fihetsika mihitsy izany. Afa-baraka tanteraka kosa aloa satria hitan’ny olona mivantana ny tena toetra sy fihetsika rehefa any an-dapa. Tena tsy mena-mitaha amin’ireo mpiady an-tsena ary tsy mahafehy ny fihetsiny na dia mandeha mivantana hitan’ny vahoaka iray manontolo aza.

Mahamenatra ihany ny fanapahan-kevitr’ireo solombavambahoaka hanapaka ny fampitana mivantana nefa izy ireo hatrany no nangataka ny fandefasana izany. Ny tsy azo lavina aloha dia ny hoe fantatr’ireo depiote ihany fa tsy mety ny fihetsiny matoa tsy sahin’izy ireo aseho vahoaka. Tsy fantatra intsony anefa hoe tena tombontsoam-bahoaka ve sa fitiavan-tena manokana no tena mampiady azy ireo. Nandeha be mantsy ny resaka omaly fa misy vola be miodikodina ho zaraina mikasika ity fitsipaham-pitokisana ity. Hitan’ny mpanao gazety maso rahateo ny fisian’ny fivorivoriana tamin’ny toerana samihafa nataon’ny solombavambahoaka sy ny mpikambana sasany ao amin’ny governemanta mialohan’ny fivoriana teny Tsimbazaza. Nisy fiara voalaza fa nisy mpikambana eo anivon’ny governemanta ihany koa tazana teny Tsimbazaza nandritra ny fotoana niadian-kevitra mialohan’ny tsangan-tanana hanaovana fitsipaham-pitokisana. Izany hoe tena samy nampiasa ny fara-heriny andresena lahatra ny depiote mba tsy hanongana azy ireo minisitra. Raha tena nisy tokoa anefa izany dia azo ambara fa fomba fanao tsy dia manaja loatra ny lalàna ka tokony ho naseho ho hitan’ny vahoaka.

Mahagaga ihany ny tsy nahasahian’ny depiote nampiseho ny zava-nitranga rehetra satria raha notohizana ny fampitana mivantana tao amin’ny TVM dia ho hitan’ny Malagasy teo hoe iza marina no tena misolo vava ny vahoaka ary iza kosa no miaro ny tombontsoa manokana sy ny tombontsoan’ny antoko politika misy azy ireo.

Tsy azo adinoina anefa fa efa tena niady mafy ireo solombavambahoaka vao nahazo fampitana mivantana amin’ny haino aman-jerim-panjakana. Niaraha-nahita fa nataon’ny minisiteran’ny Serasera an-kilabao ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity ary efa nisy mihitsy ny ankandasitra nataon’ny mpiasan’ny TVM. Izany hoe mody nalaina sary ny fivoriana sy ny fihaonana nefa tsy nalefa mivantana akory. Tsikaritry ny depiote izany ka niteraka korontana be tao an-dapa ary rava mihitsy ny fihaonana tamin’ny minisitra. Nony injay anefa nahomby ny fitakiana ka nalefa mivantana ny fihaonana dia izy ireo indray no nangataka ny hanapahana izany.

Tsy vao sambany fa efa mpanambany sy mpanao tsinontsinona ny fampahalalam-baovao ny ankamaroan’ireo solombavambahoaka ireo, indrindra ireo vehivavy. Mba mahazo fampiofanana matetika ihany anefa izy ireny saingy hita fa tsy mbola tena mahafehy tsara ny asany. Tao anatin’ity fivoriana ara-potoana voalohany ity izao dia tsy hita mihitsy izay vokatra azo mikasika ny fifidianana lalàna. Karamaina amin’ny volam-bahoaka anefa ireo solombavambahoaka ireo ary vola be tsy toko tsy forohana no mivoaka amin’ny Fanjakana handoavana izany. Anisan’ny mari-panajana faran’izay kely indrindra tokony omena ny vahoaka izay tompon’ny vola hanakaramana ny parlemantera ny fampisehoana ny mangarahara izay zava-mitranga marina ao an-dapa. Misy anefa ireo menatra ny toetra-ratsiny ka nanakana izany !

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre