Vous êtes ici :

Vendredi 29 Mars 2024

ombre

Antalaha – Raim-pianakaviana maty nanaton-tena

Olana ara-tokantrano no niandohan’ny loza. Nisarahan’ny vadiny ity lehilahy ity ka naleony namono tena. Tao Andamasinina, kaominina Ampahana ao amin’ny distrikan’i Antalaha no nisehoan’izany ny fiandohan’ny herinandro, tokony tamin’ny 5ora tany ho any. Tsy nisy nanam-po ny zava-nanjo ny fianakaviany. Akory ny hagagan’ireto raha nahita ny fatiny izay nikiraviravy tamin’ny tady nifatotra teo amin’ny “plafond”. Tamin’ny fizahana nataon’ny manam-pahefana dia mbola hita tao ireo fitaovana izay namonoany tena. Toy ny tady be miantona teo amin’ny “plafond” izay mbola nifatotra teo amin’ny tenda sy ny seza niakarany nihazo an’izany “plafond” izany.

Araka ny fantatra dia tsy vao izao ity lehilahy ity no nikasa namono tena fa tamin’io fotoana io vao tena tanteraka izany. Isaky ny misy olana eo amin’izy mivady dia mandrahona ny hanao izany foana ity lehilahy ity. Nisy fotoana izy efa nihinana fanafody be dia be saingy tsy maty tamin’izany fotoana izany. Natolotra ny fianakaviany ny razana rehefa avy nozahan’ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre