Vous êtes ici :

Jeudi 28 Mars 2024

ombre

Fanjakan’olom-boavidy

Tao anaty henatra sy fahafaham-baraka ary fahadisoam-panantenana no niatrehan’ny vahoaka malagasy ny faran’ny herinandro lasa teo. Herinandro monja taorian’ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena izay nahindrahindrana ny hambom-pom-pirenena sy ny fireharehana ny amin’ny maha-malagasy mantsy dia nanondrana indray ireo heverina ho mpitondra. Samy nampiseho imasom-bahoaka ny toetra sy ny fomba amam-panao izay tsy mendrika amin’ny maha olom-panjakana azy mantsy ny fahefana mpanao lalàna sy ny fahefana mpanatanteraka. Andaniny ireo mpikambana ao amin’ny governemanta izay nampiseho miharihary ny fianteherana amin’ny herin’ny vola izay nividianany ny safidin’ireo solombavambahoaka sasantsasany marivo salosana. Ireto farany dia notambazana vary masaka sy patsa indray mahandro ka nandritra ny fotoana famaranana ny fivoriana ara-potoana voalohany no sady ihany koa hanaovana fitsipaham-pitokisana ny governemanta no tsy niakatra teny an-dapa. Nisy mihitsy ireo voalaza fa nokarakarain’ny fahefana mpanatanteraka fety aman-danonana tany amin’ny hotely ka nanatrika izany ary tsy nivoaka tao intsony. Nalain’ny mpanatanteraka baraka ny mpanao lalàna satria nasehony imasom-bahoaka fa misy olona voavidy ao.

Diso tanteraka ihany koa anefa ireo minisitra tsy nanafina fa nihaona an-tsokosoko tamin’ny depiote tany amin’ny toerana fanaovana lanonana sy trano fandraisam-bahiny. Tokony ho any amin’ny lapam-panjakana mantsy no fihaonan’ny samy tompon’andrikitra fa tsy any amin’ny toerana fitondrana mpivaro tena sy fanorana akory. Raharaha goavana mahakasika ny firenena rahateo no nodinihina tamin’izany. Nihorakoraka sy nanofahofa tanana mihitsy ireo minisitra vitsivitsy nisolo vaika ny ankalana nanatrika mivantana ny fitsipaham-pitokisana teny amin’ny Antenimieram-pirenena ny zoma alina lasa teo rehefa nivoaka ny vokatra fa tsy miongana izy ireo. Nasehon’ireo minisitra fa maivana ireo depiote ary tsy manana ny hery ahafahana manongana ny governemanta izany. Nisy ary maro ihany ireo solombavambahoaka nijoro tamin’ny heviny mikasika ny fandravana ny governemanta saingy tsy afa-nanoatra nanoloana ny lalàna sy ny tsy fahampian’isa. Nanala-baraka rahateo ny nafitsok’ireo solombavambahoaka, indrindra ny vehivavy, izay sahy nifanasa vangy sy nikasa ny hifampitolona sy hifandringo-bolo mihitsy.

Toetra tsy mendrika ireny ary tena mirefarefa amin’ny tany satria lapan’ny demokrasia sy ny adihevitra ny ao amin’ny Antenimieram-pirenena fa tsy lapan’ny totohondry. Vao maika naharikoriko ny ankamaroan’ny malagasy ny nandre ny fampirisihana sy horakoraka nataon’ireo solombavambahoaka lehilahy izay noheverina fa tokony ho nanasaraka sy nampitony ny raharaha. Tena nasehon’ireo solombavambahoaka tamin’iny zoma lasa teo iny ny toetra ratsin’izy ireo any amin’ny misy azy any. Samy solombavambahoaka, samy olom-boafidy, mpiara-miasa aza sahy manao toetra toy ireny koa maika izany raha mifanatrika amin’ny olon-tsotra. Mitombina ihany ny antso nataon’ireo solombavambahoaka sasany ny amin’ny tokony handravana ny Antenimieram-pirenena satria tsy misy ilana azy. Tsy nahavita nifidy ireo lalàna tokony ho laniana tamin’ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohany izy ireo. Tsy nahavita ihany koa nanongana ny filoha sy ny governemanta. Izany hoe nandany andro nifanasa vangy sy niteraka savorovoro fotsiny teto amin’ny firenena fa tsy nanome vokatra ho an’ny vahoaka. Inoana anefa fa nandray karama sy ny tombon-tsoa rehetra sahazy avy.

Volam-bahoaka no nolaniana tamin’izany rehetra izany nefa tsy nisy ny vokatra. Raha ny tena tokony ho izy dia mila fanarenana vaovao mihitsy i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tokony ravàna ny Antenimieram-pirenena, sy ny Governemanta. Toy izany ihany koa ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana sy ny fiadidiana ny Repoblika. Tsy mahomby ny tompon’andraikitra rehetra ankehitriny ka izany no mahatonga izao savorovoro eto amin’ny firenena izao. Mila averina anontaniana ny hevitry ny vahoaka ary izay ihany no vahaolana. Olom-boafidy no ilaina eto fa tsy olom-boavidy na mpividy olona!

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre