Vous êtes ici :

Mercredi 24 Avril 2024

ombre

Nitambaran’ny pelaka – Sady torana no niboridana sy voaendaka

Tamin’ny sabotsy 4 jolay, tamin’ny 4 ora no nisehoan’ izany teny Andohatapenaka. Sarimbavy miisa dimy no indray nitambatra tamin’ity tovolahy 25 taona nanadrohadro azy ireo. Nivoaka avy ao amin’ny mpanao volo teny an-toerana ity tovolahy ity no nifanehitra tamin’ireo sarimbavy izay teo amin’io toerana io.

Vao nahita azy ireo izy dia niteny hoe « inona koa no ataon’ireto sarimbavy mitakoritsika tsy misy ilana azy ireto ». Tezitra noho izany teny izany ireto pelaka ka avy hatrany ary notambaran’izy dimy lahy ilay tovolahy ka ka naratra mafy. Tsy navelan’izy ireo raha tsy torana mihitsy. Tsy vitan’izany ihany fa mbola nendahin’izy dimy lahy ihany koa izy ka « caleçon » no hany sisa teny an-kodiny. Lasa nandritra izany ny vola 30 000 ariary sy finday teny aminy.

Mpiambina toeram-pisakafoanana manakaiky eo ity tovolahy ity ary monina tsy lavitra eo. Vao nahita ny zavatra nitranga dia nampandre ny vadiny avy hatrany ireo olona nanatri-maso ny zava-niseho. Vantany vao naheno ny nanjo am-badiny ilay ramatoa vadiny dia torana ihany koa. Ity farany indray no nifamonjena ary niaraka nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana izy mivady.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre