Vous êtes ici :

Jeudi 18 Avril 2024

ombre

Ny ahiahy tsy ihavanana !

Andro sisa no isaina dia hiroso amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy ireo mpikambana amin’ny filan-kevitra kaominaly ny Malagasy. Tsinjo avy hatrany ihany koa fa tsy maintsy hanao izay fara heriny andresena lahatra faramparany ny mpifidy ireo kandida sy ny mpanohana azy ireo amin’ity herinandro ity. Ankoatra ny hevitra sy ny programan’asa dia tsy maintsy hiraradraraka ihany koa ny vola. Hatreto aloha dia tsy misy zava-bita raha tsy misy vola. Mbola tototry ny fahantrana ny ankamaroan’ny vahoaka ka mora jamban’ny vola sy ny tapi-maso amin’ny alalan’ny fizarana zavatra etsy sy eroa. Fomba amam-panao efa fahita teto amintsika rahateo ny fividianana ny vaton’ny mpifidy amin’ny alalan’ny fanambatambazana ara-bola sy fizarana vatsy kely etsy sy eroa.

Misy fiantraikany betsaka any amin’ny mpifidy tokoa ireny fanambatambazana madinidinika ireny satria iaraha-mahita fa saika mitovitovy avokoa ny programan’asa atolotr’ireo kandida rehetra. Ho an’ny eto an-drenivohitra ohatra dia moifantoka betsaka amin’ny fanadiovana ny tanàna, ny fananganana foto-drafitr’asa vaovao, ny ady amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana sy ny tsy fandriam-pahalemana. Izany hoe efa fantatra mialoha ny andrasan’ny vahoaka ka ireny ihany no narafitra ho vinavinam-pandaharan’asa hambaboana ny sain’ny mpifidy.

Raha ireo no jerena dia tsy any amin’ny programa aroson’ny kandida tsirairay no mety hampiavaka azy ireo amin’ny voka-pifidianana fa fepetra hafa. Anisan’izany ny efa nambara tetsy ambony dia ny fampiasana vola faran’izay betsaka hanapenana ny mason’ny mpifidy. Ny vola anefa samy manana ary mety mbola ho maro ihany ny kandida tsy hifankaiza. Eo no hampisongadina ny toetra manokan’ireo kandida tsirairay. Mazava ho azy fa hanana tombony manokana izay kandida hita fa tena mijoro amin’ny heviny sy tena mpitarika tokoa fa tsy sanatria saribakoly fotsiny entina hambaboana ny saina sy ny fon’ny vahoaka. Vitsy dia vitsy ireo kandida tena manana io toe-tsaina tsy manaiky lembenana sy vonona hiady amin’ny tsy rariny io. Raha mahay mandresy lahatra tsara izy ireny ka mahay mandinika ihany koa ny vahoaka dia hanana ben’ny tanàna mendrika izany anarana izany ny  kaominina maro manerana ny Nosy.

Mila mailo anefa ny rehetra satria ankoatra ny programa, ny fampiasam-bola, ary ny maha-izy azy ny kandida tsirairay dia efa raiki-tapisaka tsy misaraka amin’ny fifidianana aty amin’ny tany mahantra ny hala-bato. Ny ahiahy tsy ihavanana ary raharaham-pirenena no atrehina ka tsy hananan-kavana mihitsy ny fitakiana ny marina sy ny mangarahara mikasika ny fizotry ny fikarakarana ny fifidianana. Hatreto rahateo dia efa maro ny tsy mazavazava hitan’ireo antoko nanolotra kandida. Anisan’izany ny lisi-pifidianana farany izay toa nampidirana olona maro amin’ny fokontany samihafa. Eo ihany koa ny fiovaovan’ny fepetra sy ny pitsipitsony rehetra. Hatramin’izao ohatra dia tsy mbola tonga eny amin’ny fokontany akory ireo fitaovana rehetra ilaina amin’ny fiatrehana ny fifidianana. Mbola milaza rahateo ny Ceni-T fa mbola hisy ihany koa ny fanofanana ireo mpikambana amin’ny birao fandatsaham-bato. Izany hoe karazan’ny misy fahatarana ihany ny fikarakarana nefa ny datim-pifidianana efa tena atomotra dia atomotra. Miteraka fikorontanan-tsaina amin’ireo mpiasan’ny fokontany sy ny mpikambana amin’ny birao fandatsaham-bato izany, miteraka ahiahy amin’ireo mpifaninana ihany koa, ary miraka tsy fahatokisana amin’ireo mpifidy. Izany rehetra izany dia efa mitarika sahady ny fomba fijerin’ny rehetra any amin’ny mety hisian’ny hala-bato. Izany hoe tsy mbola tonga amin’ny andron’ny fifidianana akory dia efa misy manahy sahady fa tsy ho marina izay vokatra hivoaka eo. Mazava ho azy fa maro amin’izay resy eo no tsy hanaiky ny voka-pifidianana ka hanao fitakiana etsy sy eroa. Dia hivadika ho korontana sy krizy vaovao indray ilay fifidianana nantenaina fa hitondra fitoniana sy fampandrosoana eto amin’ny firenena. Ny hanongotsongoana ny maty tahotra ny handevim-belona, ary ny hitsimponana ny vary tahotra ny hikepoka vato koa aleo milaza fanahiana zavatra tsy mitombina toy izay manantena ny soa nefa ho diso fanantenana!

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre