Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Anjozorobe – Vehivavy maty nokapain’ny zaodahiny tamin’ny famaky

Maty tsy tra-drano ny vehivavy 24 taona rehefa nokapain’ny zaodahany tamin’ny famaky. Tsy fantatra hatreto ny nahatonga ity lehilahy 42 taona hanao izao habibiana izao fa nalehany tany amin’ny toeram-ponenan’ilay vehivavy mba hanantanterahana ny asa ratsiny. Ny andron’ny zoma 24 jolay no nisehoan’izany tao Ambararata, ao amin’ny kaominina Avaratanjona tamin’ny 10 ora.

Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia nokapainy famaky ny tendan’ity zaobaviny ka nipitika niala roa metatra ny lohany, izay tena nampihoron-koditra tokoa araka ny fanambaran’ireo nanatri-maso. Nandositra ity nahavanon-doza rehefa vita ny nataony ary nifanenjehan’ireo fokonolona. Tsy lasa lavitra anefa dia tratra ity farany ka niharan’ny fitsaram-bahoaka. Soa anefa fa tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana nanala azy teny amin’ireo vahoaka tezitra. Efa eo am-pelatanan’ny zandarmaria ity mpamono olona ity ankehitriny natao famotorana. Nandritra ny fanadihadiana natao azy anefa dia tsy mety milaza ny antony namonoana an’io zaobaviny io ity lehilahy ity. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre