Vous êtes ici :

Vendredi 19 Avril 2024

ombre

Aleo ny vahoaka no hitsara !

Nifarana tanteraka vao maraina be teo ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra. Midika izany fa ho tanterahina rahampitso ihany ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina kaominaly manerana ny Nosy. Efa samy nanao izay ho hafany rahateo ireo antoko sy fikambanana rehetra nanolotra kandida mba handresy lahatra ny mpifidy hirona any amin’izy ireo. Kihon-dalana lehibe iray eto amin’ny firenena ny fifidianana rahampitso satria hamaritra indray ny fifandanjan-kery politika ao anatin’izao fiatombohan’ny Repoblika fahefatra izao. Raha atao bango tokana sy jery tsy miangatra ny zava-nisy tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra dia nisy antoko tena nisongadina fa matanjaka raha ny fanohanan’ny vahoaka azy ireny. Tsy azo odian-tsy hita anefa fa tsy ny isan’ny olona tonga nanatrika ny fampielezan-kevitra no hampandresy ny kandida tohanany. Tsy maintsy mandeha mifidy ary mpandrotsaka izay kandida naharesy lahatra azy ny olom-pirenena mandray andraikitra sy tompon’andraikitra vao maharesy ny kandida tohanany. Mila mailo ihany koa amin’ny fanaraha-maso ny fizotry ny fifidianana mba hialana amin’ny lesoka madinidinika mety hiafara amin’ny fiovan’ny vokam-pifidianana sy ny fangalaram-bato.

Tafiditra tsara ao anatin’ny fandraisana andraikitra io fanaraha-maso akaiky ny fifidianana io mba ho tena ny safidin’ny maro an’isa marina no hivoaka. Efa im-betaka ny fitondram-panjakana sy ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana ary ny sehatra iraisam-pirenena no  nanome toky fa tonga lafatra tanteraka ary sarotra hangalaram-bato ny fifidianana rahampitso. Misy ihany anefa ny tranga mifanohitra izany ka mampanahy ny ankamaroan’ny vahoaka. Mila malina ny rehetra manoloana izany rehetra izany ary aoka samy hifanohana sy handray andraikitra mba tena hampizotra tsy misy tomika ny fifidianana ka tsy hisy intsony ny ahiahy avy eo.

Kihon-dalana lehibe eto amin’ny firenena ny fifidianana rahampitso satria tena fifanandrianana mivantana eo amin’ireo antoko politika samy milaza azy ho tompon’ny maro an’isa. Ho hita eo tokoa izay tena mamim-bahoaka sy tohanan’ny maro an’isa. Hatramin’izay tokoa mantsy dia tombatombana sy kajikajy ambony taratasy fotsiny ny hamaritan’ireo mpanao politika fa izy no tena mbola matanjaka. Ho hita amin’ny vokatra rahampitso eo izany izay tena tokony hiteny fa miaraka amin’ny vahoaka. Mazava ho azy fa izay mahatafiditra kandida betsaka indrindra manerana an’i Madagasikara no tena mahery. Tsy azo hodian-tsy fantatra ihany koa anefa ny fitongilanan’ny safidim-bahoaka amin’ireo tanàn-dehibe, indrindra ireo renivohim-paritany. Na manana ny maro an’isa amin’ny ben’ny tanàna manerana ny Nosy aza mantsy ny antoko politika iray dia mety ho sahirana ihany raha toa ka resy amin’ireo renivohim-paritany. Tsotra ny anton’izany: an-tanan-dehibe ny fanaovana politika fa tsy eny ambanivohitra. Porofon’ireny dia niainga teto an-drenivohitra avokoa ny hetsi-bahoaka nampirodana ny mpitondra efa lany daty ary nametrahana mpitondra vaovao. Efa tsy tana intsony ny hetsika teto Antananarivo vao niitatra tany amin’ny faritra hafa izany. Stratejika be ho an’ny antoko politika sy ny ho avin’ny firenena noho izany ny fifidianana ben’ny tanànan’Antananarivo ka tsy tokony ataon’ny vahoaka tsinontsinona. Tsy vitan’ny hoe tsy maintsy ho lany ny kandida ho tohanana satria nahavory olona marobe hatrany tamin’ny boriboritany rehetra nalehany. Mila mandeha mifidy ary mila mandatsa-bato, ka manara-maso izany hatramin’ny fiafaran’ny fanisam-bato vao afaka miteny fa tena nahavita adidy. Hamaritra ny ho avin’ny firenena ny fifidianana rahampitso koa samia mandray andraikitra. Miankina amin’izay ho vokatra hivoaka eo avokoa ny tohin’ny toe-draharaha politika izay efa mamofompofona krizy mitady hipoaka talohan’ny fampielezan-kevitra. Tsy voatery hiditra amin’ny krizy vaovao anefa ny Malagasy vao mahita vahaolana fa afaka mampiasa tsara ny demokrasia tena izy amin’ny alalan’ny fifidianana. Samia ary mandray andraikitra mba tsy himenomenona sy hifanome tsiny indray avy eo.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre